312 – Mitoera, ry Jesosy

1. Mitoera, ry Jesosy
Ao an-tanimbolinao,
Ka amboary ‘zao ny voly
Mba hitombo sy hamoa !
Tomoera;;
Iasao ny Nosinay !

2. Mba onenonao ny lasy
Itoeranay izao,
Ka ovay ny Malagasy
Mba ho tena zanakao !
O, monena;;
Hazavao ny Nosinay !

3. Akekezo ireo mpania
Tafaverina aminao,
Ka tantano mba ho tia
Ny miresaka aminao !
O, tariho;;
Ho Anao ny Nosinay !

4. Dia fohazy ny mpitory
Mba hanao ny asanao,
Ka hamoha ireo matory
Mba handre ny sitrakao !
Hamasino;;
Ho Anao ny Nosinay !

5. O, Jesosy feno antra,
Dera, laza ho Anao !
Ny lohalika rehetra
Handohalika aminao !
Mitoera;;
Fa Anao ny Nosinay !

311 – Miely lavitra any ny olo-marobe

1. Miely lavitra any
Ny olo-marobe;
Koa lza no hankany;
Hamonjy azy re,
Hanorina sekoly,
Hitory teny koa.
Hamaky ny Baiboly,
Milaza zava-tsoa?

2. lndreny olona ory
Tsinjovy, ry zareo!
Tsy misy ny mpitory,
Ka moa hafoinareo ?
Tsarovy Jeso Tompo
Nandao ny lapa soa,
Ka tonga mba hanompo,
Nanolotra aina koa.

3. Ry Lohan’ny mpiandry!
Tendreo ny irakao,
Fa reraka ka mandry
Ny ondrikelinao;
lraho ny mpitory
Handeha ankehitrio,
Ka tsy handà akory
Hanao veloma anio.

4. Ny tia famonjena
Miaramila soa;
lzay manolo-tena
No iraka tokoa;
Na lavitra ny tany,
Hanendry tena hoe:
« lzaho no hankany,
lraho aho e! »

310 – Misy maro ao an-tsaha mitaraina

1. Misy maro ao an-tsaha mitaraina,
Ka ento ny Jiro mba hankao !
Tsy mba misy atoandro na maraina
Fa maizina re ny ao ;
Indro olo-maro be
No maniry mafy hoe :
Mba midina mankaty,
Itondray Baiboly re
Izy ireo fa ta handre
An’i Kristy Tompo soa !

Fiv : « Mandehana », hoy ny Tompo, « mandehana
Ho amin’izao tontolo izao ! »
Mitsangàna ary, eny, mitsangàna
Fa izy no homba anao !

2. Mandehana mba hitarika ny jamba,
Mba ampifalio ny ory fo ;
Ny mahantra ilazao fa misy lamba
Tsy miova, tsy mety lo ;
Jeso Mofon’aina soa
Sady Ranon’aina koa,
Asehoy ho hitany !
Tena Andriamanitra,
Tompo tao an-danitra,
Ambarao ho fantany !
« Mandehana », sns…

3. Mandehana hanatanjaka ny osa,
Omeo toky re ny ketraka ;
Ny anjaranao, ataovy ho tontosa
Ka aza dia reraka !
Mandehana ianao
Ka vitao ny asanao
Fa ny tambinao ary ;
Mbola any ihany re
ny handraisan-tamby be,
Dia rehefa tsy ety !
« Mandehana », sns…

309 – Iza no hitantara ny Tompo Jesosy

1. Iza no hitantara
Ny Tompo Jesosy,
Ilay nandao ny lapa
Ka nidina taty ?
Nitafy nofo Izy,
Nanetry tena koa.
Ka maty ho Mpisolo
lzao rehetra izao:
lza no hitantara (in-3)
Ny Tompo Jesosy?

2. lza no hitantara
Ny fitiavany ?
Fa tia ny mpanato
Mahantra, very koa;
Ka izay manatona Azy
Dia tsy hariany,
Fa raisiny tokoa
Mba ho sakaizany:
lza no hitantara (in-3)
Ny fitiavany ?

3. lza no hitantara
Ny zava-marobe
lzay raisin’ny voavonjy
Amin’ny alalany?
« Tsy mbola hita maso,
Na ren’ny sofina,
Na takatry ny saina »
Ny hasoavany:
lza no hitantara (in-3)
Ny hasoavany ?

4. lza no hitantara
Ny soa be ary
He! Lova tsara fara
Hasolo ny aty;
Any an-danitra any
Be haravoana,
Fa ao ny Tompo Jeso
lzay hifaliana:
lza no hitantara (in-3)
Ny soa be ary ?

308 – O! miaingà, miasà izao

1. O! miaingà, miasà izao,
lrak’i Jesosy hianao;
Ny masoandro miposaka ao
Mba hanazava ny dianao.
:,: Ka dia mazotoa ô.:.:

Fiv : O! miaingà, miasà, mitoria,
Aza ho kivy, fa mba mihafia
Dia mba lazao ny nataony taty,
Mba hanazava ny maizina aty.

2. O! miaingà, miasà izao,
Ka afafazo ny voanao
Ho ao an-tany mahantra ao,
Jeso Mpamonjy no aronao
:,: Hitahy nyasanao:,:
O! miaingà, sns…

3. O! miaingà, miasà izao,
Aoka hiezaka fatratra;
Jeso hanambina anao aty
Mandra-pahazo ny vokatra
:,: Zay valin’ny asanao :,:
O! miaingà, sns…

4. O! miaingà, miasà izao,
Fa ‘mby akaiky ny Tomponao
Mba hanome valisoa anao,
Araka izay voa nafafinao.
:,: Ka dia miasà izao:,:
O! miaingà, sns…

588 – Tompo Mpamindra fo mahery sy tsitoha

1. Tompo Mpamindra fo!
Mahery sy Tsitoha
‘Zay nidina taty
Hamonjy ny mania;
Mivavaka Aminao
sy mitalaho izahay
Ny gadranay tapaho
hanafaka anay’

2.Tompo ô! Manjakà
Amin’ny olonao;
Faingàna, iantrao
Ireo izay narovanao;
Miondreha, mijere,
Izahay miandrandra Anao;
Ny herinao anie
Hatafinao ireo.

3. Tompo Mpanova fo,
Mpampionona tokoa.
Midina ka ampio
Izahay hahery izao.
Toky mamy loatra
No omena anay:
Hatrany ankoatra,
Arovinao izahay.

587 – Jehovah Tompo no itokiako

1. Jehovah Tompo no itokiako,
Fa mampitombo ny fifaliako;
Ny fo sy saiko miankina Aminy,
Izay ilaiko omen’ny teniny,
Ka tena aiko ny toroheviny.

2. Ampio aho, Jehovah Tompo ô!
Fa mitalaho izao ny zanakao,
Omeo hery hitanako ny to,
Mba tsy ho very ny rakitra ao am-po;
Hianao irery no iankinako.

3. Ry Kristy Tompo, mba mamonje anay
Mba ho mpanompo mazoto izahay,
Mpiasa tsara ankasitrahanao,
Izay manambara ny fitiavanao
Ka hiafara eo anatrehanao.

307- lza no hanompo an’i Jeso soa ?

1. lza no hanompo an’i Jeso soa ?
lza no hanaiky mba ho Azy moa ?
He, ny hatsarany ; he, ny antra be !
Izy ta hamonjy ka meteza re !

Fiv : Jeso Tomponay ô, indreto izahay
Avy mba hanaiky, ka mandraisa anay !

2. Iza re no mety, iza re lazao,
Hanome ny fony mba ho Azy izao ?
He, miantso mafy Jeso Tompo tia :
« Zay rehetra mety, ô avia, avia ! »
Jeso Tomponay ô! sns…

3. lza no mba sahy, sahy ao am-po
Ho miaramila fehin’i Jeso ?
lza no hiady ady tsara re,
Fa ny fahavalo dia marobe ?
Jeso Tamponay ô! sns…

4. lza re no homba Azy ankehitrio
Mba hamonjy ireny azon’ny manjo ?
lza no hiafy sady hanome
Andro, hery, saina ? Mamalia e !
Jeso Tomponay ô! sns…

5. lza no hazoto mba hiasa moa ?
lza no handroso mba ho hendry koa ?
lza no hanaiky, iza re lazao,
Mba ho an’i Jeso izao anio izao ?
Jeso Tompanay ô! sns…

586 – Jesosy Kristy Tompo ô hianao no antenaiko

1. Jesosy Kristy Tompo ô!
Hianao no antenaiko;
Tsy misy Mpamonjy toa Anao,
Ry Heriko sy Aiko,
Fa tsy mba misy olona
Mahafaka ny heloko,
Tsy zakako nyentako,
Ry Jeso ô!
Hianao anefa tokiko.

2. Ny otako dia lehibe,
Ny foko dia ory!
Mpamonjy Ô, vonjeo re!
Ny heloko esory.
Ny Rainao tsara ilazao,
Fa izaho no navotanao,
Ka mba havela heloka,
Dia azoko
Ny fiadanana ao am-po.

3. Finoa-marina ao am-po
No aoka mba homenao,
Mba hanandramako tokoa
Ny tsirom-pamonjenao,
Mba hitiavako Anao
Sy ireo rahalahinao;
Raha avy ny fotoako,
O, mba vonjeo!
Ka mba reseo ny rafiko.

4. Ny saotra, dera, ho Anao,
Ry Raiko be fiantra,
Sy ho Anao, ry Kristy Ô,
Mpamonjy ny rnahantra,
Anao, Fanahy Masina,
Izay te na Mpampionona!
Izaho mba omeonao
Ny aim-baovao,
Haharitra ho olonao!