:,:Jehovah ô! Hianao no Vatolampy iorenan’ny finoanay sy fanantenanay, Jehovah ô, Jehovah ô!:,:
Mpamonjy mora azo indrindra, ka mety mba hanavotra izay manota.
Jehovah ô, Hianao no faleha: mijere anay, ry Tompo Masina ô! Dia tafionao ny hery vaovao ny mpanomponao, ho mendrika ny asa izay atao izao, aty antranonao, noho ny fitiavanao anay. Ka ny dera aman-data, hery voninahitra anie, ho Anao mandrakizay, Jehovah Tompo ô! Jehovah ô! Jehovah ô!
Jehovah ô! Hianao no faleha: mijere anay ry Tompo Masina ô!
Mois : août 2009
AN 20 – Endrey ny hatsaran’ny trano
:,:Endrey ny hatsaran’ny trano, tranonao, Andriamanitra ô! Maniry anao ny foko sy fanahiko. Sambatra izay, izay mitoetra, sambatra izay mitoetra ao an-tranonao, tranonao. Hidera Anao, Tompoko: Tompoko sy Andriamanitro.:,: Amen.
AN 19 – Didy vaovao no omeko anareo
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo, no mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, fa mpianatro hianareo, fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.
Izao no didiko, izao no didiko, izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe, lehibe noho izao: manolotra, manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
AN 18 – Saotra, dera, an’Ilay Mpanjaka Tompo Tsara
Saotra, dera, an’Ilay Mpanjaka Tompo Tsara, dia Andriamanitra. Izy mitahy ny taona ka finaritra re ny vahoaka, fa Izy miaro ny loza tsy hitranga matetika. Ny ranonorana tonga hanatsara ny zavatra maro; izay fitahiana rehetra dia ateriny avokoa. Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao eo anatrehan’ny vahoaka maro. Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao re, Izy no derao eo afovoan’ny fiangonana.
AN 17 – Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho
Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho. Avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy avy amin’i Jehovah, izay namorona ny lanitra sy ny tany. Jehovah no Mpiaro anao. Ny Tompo no fialofanao eo amin’ny ankavananao. Ny masoandro tsy hamely anao amin’ny atoandro na ny volana nony alina. Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra. Hiaro ny fanahinao Izy na mivoaka na miditra, hatramin’izao ka mandrakizay; Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra hatramin’izao ka ho mandrakizay. Haleloia! Amena.
AN 16 – Isaoranay Jehovah Tomponay
Isaoranay Jehovah Tomponay, isaoranay Andriamanitray; fa be fitia ny Tomponay, ny Tompo tia anay, Mpanjaka tia, Mpamindra fo. Deraina Hianao. Isaoranay izao, fa be fiantra Hianao, Mpanjaka be fitia. Isaoranay ny Tomponay. Ny tany aty mandray fitahiana; ny lanitra ary mamoaka ny soa, ka misy tokoa ny vokatra tsara, Jehovah Tsitoha manambina anay. Deraina ny Anaranao Andriamanitray. He! faly izahay izao manao ny hiranay! Isaoranay Andriananaharinay Mpanjaka be fitia.
AN 15 – Voninahitra amin’ny avo indrindra
Voninahitra amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon’ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.
:,: Derao, hobio ny Anaran’i Jehovah! Azy anie ny dera sy ny laza ety an-tany ka hatrany an-danitra! Dia hamasino izahay, ry Tompo ô, hitoeran’ny voninahitrao.:,:
Voninahitra amin’ny avo indrindra, ho an’Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon’ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.
AN 14 – Haleloia! Iza moa ireo miakanjo fotsy lava
Haleloia! Iza moa ireo miakanjo fotsy lava, ary avy taiza izy ireo? Ireo no avy tamim-pahoriana lehibe, ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanakondry! Haleloia! Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy, ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoly. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, fa ny zanak’ondry izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy, ka hitondra azy amin’ny ranon’aina, ary hofafan’Andriamanitra ny ranomasony rehetra amin’ny masony.
AN 13 – Akory ny hamaroan’ny asanao
Akory ny hamaroan’ny asanao, ry Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra. Henika ny asanao izao tontolo izao. Ao ny ranomasina feno zava-manana aina, na kely na lehibe. Indro ny lanitra, feno famirapiratana mahagaga; ary ny tany rehetra samy feno zavatra avokoa, ka mampiseho ny voninahitrao, Andriamanitra ô!
AN 12 – He ny aiko tsy lalaiko
He ny aiko
Tsy lalaiko
Hamonjeko ny fanahinao;
Famonjena
No nomena,
Kanefa tsipahinao.
Menatre aho,
Ry Mpamonjy!
Mamelà ny mpanomponao!
Fa ny tena
Sy fanahy
Omeko Anao izao.