370 – Mba henoy ny feon’i Jeso

1. Mba henoy ny feon’i Jeso,
Ry mpanota very ô!
Atsaharo re ny ota,
‘Zay mamery aina anao;
Jeso Tompo no miantso,
Aoka tsy ho lavinao;
Dieny mbola re ny antso,
Manatòna hianao.

2. ‘Zao no tenin’ny Mpamonjy
‘Zay lazainy aminao:
« Manatona Ahy, Vonjy
Sy Mpamela helokao;
lzaho, Tompo feno antra,
Hanome anao ny soa,
Ka ny helokao rehetra
Dia ho afako tokoa. »

3. « Izaho koa no vavahady
lzay hidiranao izao,
Sady Lalan-toratady
lzay mankao an-danitra ao;
lzaho dia Molon’aina
Sady Ranon’aina koa;
Tsy mba misy miala maina
lzay rehetra tia tokoa. »

4. « lndro, efa maty Aho
Hanavotako anao;
Moa tsy hatolotra Ahy
Ny fanahinao izao?
Ry mpanota! Mihevera,
Aoka izay ny ditranao,
Manatòna, manatòna
Ahy, Jeso Avotrao. »

40 – Tonga ny fahazavan’i Ziona

1. Tonga ny fahazavan’i Ziona
Ravo ny tany izay maizina teo
Tapitra koa ny fidradradradràna
Ary ny tany miadana izao !

2. Tonga ny fahazavan’i Ziona
Efa nandrasana izay ela izay ;
Izao dia tapitra ny fanompoana
Ka ampodiana ny babo indray !

3. He, misy rano izay miboiboika
Any an’efitra maina sy lao,
Feno ny hobiny ny lohasaha,
Manakoako ny hira vaovao !

4. Indro ny tany sy nosy rehetra
Dia mankalaza ny Tompo izao ;
Ny fanjakany dia tsy manam-petra
Miravoravo ny tany vaovao !

39 – Faingàna, ry Mpanjaka!

1. Faingàna ry Mpanjaka
Handray ny lovanao,
Faingàna re mba haka
Ny tany ho Anao !
Avia hampifaly
Ny malahelo fo,
Afaho ny mijaly
Sy azon’ny manjo !

2. Avia fa misento
Aty ny olonao !
Ny fanjakana ento
Fa Tompo Hianao !
Tsy hisy hitomany
Eo anatrehanao,
Hiadana ny tany
Izay alehanao !

3. Ny tendrombohitra avo,
Ny lohasaha koa
Ho tonga ravoravo
Sy tretrika avokoa !
Ny be tsy haka an-kery,
Ny kely afa-po ;
Tsy hisy izay ho very,
Tsy hisy izay hanjo !

4. Mpanjaka sy Mpiaro
Mahery Hianao ;
Ny firenena maro
Hitoky Aminao.
Ho avy lalandava
Izao rehetra izao,
Hitondra harem-bevava
Ho eo an-tongotrao.

5. Faingàna  ry Mpamonjy,
Ry Tompo be fitia,
Ny olonao tra-bonjy
Miantso hoe : Avia !
Anao ny fiderana,
Anao ny laza be,
Anao ny fanjakana
Sy arahaba e !

37 – Mihainoa ry Ziona, ô!

1. Mihainoa ry Ziona, ô!
Avy ny Mpanjakanao!
Re hatrany lavitra,
Fa hobin’ny olona,
Mifalia hianao,
Indro Izy, ka tsenao!

2. Indro Ilay miakatra
Mila tsy ho fantatra
Ho Mpanjaka marina,
Fa mietry lalina;
Izy no Mpanjakanao,
Ry Ziona ka derao!

3. Mandrosoa, Tompo ô!
Mba hanjaka amiko;
Faly re ny olonao
Raha tonga Hianao
O, hosana, Tomponay!
Ry Ilay nandrasanay!

36 – Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao ?

1. Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao ?
Mifamatra tamin’aina ny fitiavanao !
Ny vahoaka sesehena
‘Zay nahazo famonjena
No hidera llay Mpamonjy soa !

Fiv : :,: Jeso no derao :,:
‘Zay nataony ambarao !
Jeso no derao !

2. Fiadanana nafoin’i jeso Tomponay,
F’efa tonga ny fotoana
Sitraky ny Ray :
Olom-bery nozahany,
Ny fatorany vahany,
Hajambana koa nalany tsy ho ao !
Jeso no derao, sns…

3. Hoderaina lalandava ny Anaranao,
Fa ny haizina nisava
Eo imasonao !
Na tsy tian’ny sasany aza
Ny Anaranao malaza,
‘Zaho koa hankalaza azy re !
Jeso no derao, sns…

35 – Isaoranay, ry Ray

1. Isaoranay, ry Ray,
Ny fitiavanao;
Fa indro, azonay
:,: Ny taom-baovao :,:
Ry Tompo ô! Ambeno
‘Zao fifalionaizao
Ka aoka re ho feno
Ny hasoavanao.

2. Ny taona vao lasa
Nipaoka olon-tsoa
Ireny mba nikasa
:,: Mba ho tafita koa :,:
Ny fitondrana anefa
Afeninao, ry Ray!
Ka nony miantefa
Vao sina izahay.

3. Fanahy ô, avia
Hitari-dalana e!
Mandroso izao ny dia,
Hamaky rano be
Ny herinao tsy lefy
No tanjaky ny fo;
Ka ampy mba ho fefy,
Raha avy ny manjo.

4. ltoero, Jeso tia,
Ny sambonay re!
Na tony na maria,
:,: ‘Ty ranomasim-be :,:
Raha Hianao no hita
Tsy fefika izahay
Ambara-piampita
Ary an-tratran-dRay.

34 – Tompo ô, Tsitoha

1. Tompo ô, Tsitoha,
Zanaharinay
Asan-tananao re
‘Zao rehetra izao
Mahagaga indrindra
Ny fahaizanao
Entinao mitondra
sy miasa ao.

2. Hianao, Jehovah
Ao mandrakizay,
Na miovaova
‘zao rehetra izao,
Mahagaga indrindra
Ny fitiavanao
Tsy mba mety miova,
Na mandao anay.

3. Ray niandohana
Fony fahizay;
Mbola hiafarana
Koa rahotrizay.
Raiso moramora
Re ny zanakao,
Raha tonga ny ora
Hiantsoanao.

33 – Tompo ô, tsy takatray

1. Tompo ô, tsy takatray
Ny hasoan’ny antranao;
Zava-mahagaga anay
Ny fitiavanao.
He, mpanota izahay
Nefa hasoavinao;
Avotr’aina azonay;
Misaotra no atao.

2. Tompo ô, Mpanjakanay
Fatratra ny herinao
Ts’isy zavatra izay
Mahasakana Anao!
Nefa mora fo Hianao
Fa mandefitra aminay,
Koa dia misaotra Anao
Fa afaka izahay.

3. Tompo Andriamanitray,
Avy izahay izao
Raiso ny fiainanay;
Anao, ka anjakao.
Tompo ô, tsy takatray
Ny hasoan’ny antranao;
Zava-mahagaga anay
Ny fitiavanao.

32 – Misaotra Anao Izahay

1. Misaotra Anao Izahay,
Jehovah Tompo ô!
Fa efa naharay
Ny soa taminao.
Ka lalandava no
Hisaoranay Anao
Ho eo am-bavanay
Tokoa ny Teninao.

2. Fa reharehanay
Sy famonjena koa
Ny Tompo tia anay,
Tsy manam-paharoa.
Ny fandresena soa,
Ny fiononam-po
Dia avy taminao
Ka hery manavao.

3. Ny olo-mino Anao
Sy ireo mpanomponao
Na velona na maty,
Dia misaotra Anao.
Ka sambatra tokoa
Fa manana Anao
‘Zahay, ry reharehan’
Ny fanahy ô!