TS 11 – Midera anao izahay, Andriamanitra ô

1. Midera anao izahay, Andriamanitra ô,
Manaiky anao ho Tompo izahay;
Ny tany rehetra dia mitsaoka Anao,
Rain’ny mandrakizay.

2. Midera Anao ny anjely rehetra
Ny lanitra sy ny mahery rehetra ao aminy
Midera Anao, lalandava
Ny Kerobima sy ny Serafima manao hoe:

3. Masina, masina, masina,
Andriamanitra, Tompon’ny maro
Manerana ny lanitra sy ny tany
Ny fiandrianan’ny voninahitrao.

4. Midera Anao,
Ny apostoly rehetra,
Midera Anao,
Ny mpaminany rehetra.

5. Midera Anao,
Ny maritiora rehetra.
Ny fiangonana eran’izao tontoloizao
Manaiky Anao.

6. Ho Ray manam-piandrianana tsy hitafetra,
Sy ny Zanakao-lahy tokana be voninahitra
Ary ny FanahyMasina,
Mpampionona ny fo.

7. Hianao no Mpanjakan’ny voninahitra,
Ry Jeso Kristy ô,
Hianao no Zanaky ny Ray,
Zanany mandrakizay,

8. Raha nanalo-tena hamonjy ny olona Hianao,
Dia tsy nolavinao ny hateraky ny virijina
Rahefa nandresy ny herin’ny fahafatesana Hianao
Dia novohanao ny fanjakan’ny lanitra mba hidiran’ny mino rehetra

9. Mipetraka ao an-tanana an kavanan’Andriamanitra Hianao,
Ao amin’ny voninahitry ny Ray.
Mino izahay fa ho avy Hianao
Ho Mpitsara anay.

10. Izany no ifonanay aminao hanampy anay mpanomponao,
lzay navotanao tamin’ny ranao soa indrindra.
Ataovy ho isan’ny olo-nao ‘zahay
Any amin’ny voninahitra mandrakizay.

11. Tompo ô,vonjeo ny olonao,
Ary tahio ny lovanao.
Manapaha azy,
Ary asandrato ho ambony mandrakizay

12. Isan’andro isan’andro
Dia mankalaza Anao ‘zahay,
Ary mihoby ny Anaranao
Izahay mandrakizay.

13. Mba miarova anay, Tompo ô,
Tsy hanota izao anio izao,
Mamindrà fo aminay, Tompo ô,
Mamindrà fo aminay.

14. Tompo ô, aoka ho tonga aminay ny famindramponao
Araka izay itokianay Anao.
Tompo ô, Hianao, no itokiako,
Aoka tsy ho menatra aho mandrakizay

329 – Saotra, dera no homena

1. Saotra, dera no homena
Ho Anao Mpanavotray,
Ianao nanetry tena
Mba hanandratra anay !
Mba tariho, Tompo ô,
Ny fanahy sy ny fo ;
Tianay ny hiara-dia
Aminao ka tsy hania !

2. Raha ory sy mijaly
Eto aza izahay,
Tsy ho kivy fa hifaly
Amin’ny anjaranay,

Ianao ry Tomponay
No mba iankinanay,
Ka inoanay homena
Ho anay ny famonjena !

328 – Mba tahio Jeso ô!

1. Mba tahio Jeso ô!
Hira, hataka sy teny;
Mba tarihonao ny fo
Hanarahanay ireny;
Hianao no Tompon’aina,
Sady mendrika hoderaina.

2. Izahay mpanomponao
Hody ao an-tokantrano,
Faly mAnao,
Ka vimbino sy tantano;
Aza avela ho irery
Izahay, fandrao ho very.

3. Saotra no atolotray,
Raha mbola aty an-tany;
Ao an-danitra indray
Dia dera tsy ho lany
Nohatao sy hohiraina
Ho Anao, ry Tompon’aina.

327 – Isaoranay Anao

1. Isaoranay Anao
Ry Tomponay Tsitoha,
Ny nanomezanao
Mpiasa mahasoa.
Ka nony vao nandre
Lay antso taminao
Dia roso ka nandeha
Nanao ny asanao.

2. Natokany ho Anao
Ny taona maro be;
Ilay fitiavanao,
Nataony rehareha.
Na nisy ny manjo,
Tsy kivy re satria
Hianao ilay ao am-po
Nanao hoe: « Matokia »

3. Izay nataony anie
Hambininao tokoa,
Hitombo be dia be
Hitera-boka-tsoa.
Hianao ‘Lay Tompo tia
No angatahanay;
Tongava, manampia
‘Zay vitany ho anay.

4. Ka mba tsinjovinao,
Sikino hery indray
Ity mpanomponao,
Anio sy rahatrizay.
‘Lay teny taminao
Ho aminy anie:
Mpanompo sitrakao
Satria nahefa be.

326 – Atreho ny mpanomponao

1. Atreho ny mpanomponao
Izay mivory etoizao,
Ka efa nametrahanao
Adidy Masina hatao.

2. Hianao ‘zay Tompon’ezaka
Nifidy anay tsy mendrika,
Ka efa nampirisika
Handroso tsy hiherika.

3. ‘Ndrisy mpanompo tsy manao
‘Zahay izay nofinidinao,
Mpiasa tsy mba mahasoa,
Tompo ô! Mifona aminao.

4. Na dia kely aza izao
No azonay atolotra,
Aoka re mba ho sitrakao
Haroso ho fanatitra.

5. Dia saotra no omena Anao
Ka raiso re, ry Tomponay,
Ny fonay koa onenonao
Sy anjakao mandrakizay.

TS 10 – He! Hianareo rehetra izay mangetaheta

(Isaia 55:1-3 , 6-8)
1. He! Hianareo rehetra izay mangetaheta,
Mankanesa amin’ny rano!
Ary ianareo izay tsy manam-bola,
Avia, mividia, ka homàna!

2. Eny, avia, mividia divay sy ronono,
Nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina,
Ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?

3. Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara,
Dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko,
Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo;

4. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
Dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’i Davida.
Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy,
Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.

5. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
Ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny,
Fa hamindra fo aminy Izy.

6. Eny, ho amin’Andriamanitsika,
Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
Ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 9 – Haleloia. Miderà an’i Jehovah, ry any an-danitra

(Salamo 148)

1. Haleloia. Miderà an’i Jehovah, ry any an-danitra;
Miderà Azy any ambony.
Miderà Azy, ry anjeliny rehetra;
Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.

2. Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;
Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra,
Ary ianareo rano ambonin’ny lanitra.

3. Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo;
Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy;
Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

4. Midera an’i Jehovah eto an-tany,
Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona,
Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,

5. Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra,
Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra,
Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,

6. Ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra,
Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany,
Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy,
Na ny antitra, na ny tanora,

7. Samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa,
Fa ny anarany ihany no misandratra;
Ambonin’ny tany sy ny lanitra
Ny voninahiny.

8. Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy,
Dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra,
Eny, ho an’ny Zanak’Isiraely, firenena akaiky Azy.
Haleloia.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 8 – Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy

(Salamo 136:1-9 , 24-26)
1. Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Midera an’Andriamanitra Avo Indrindra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony

2. Miderà ny Tompon’ny tompo;
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

3. Izay nanao ny lanitra tamin’ny fahendrena
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay namelatra ny tany ho ambonin’ny rano,
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

4. Izay nanao ireo fanazavana lehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

5. Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ny fahavalontsika
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

6. Izay manome hanina ny nofo rehetra
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Miderà an’Andriamanitry ny lanitra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 7 – Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao

(Salamo 130)
1. Tao amin’ny lalina
No niantsoako Anao, Jehovah ô

2.Tompo ô, henoy ny feoko;
Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.

3. Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô,
Iza no hahajanona, Tompo ô?

4. Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka,
Mba hatahorana Anao.

5. Niandry an’i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako.

6. Ny fanahiko miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina,
Dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.

7. Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely;
Fa eo amin’i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

8. Ary Izy no hanavotra ny Isiraely
Ho afaka amin’ny helony rehetra.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 6 – Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao

(Salamo 119 – 41:56)
1. Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô,
Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho,
Satria matoky ny teninao.

2. Ary aza dia esorina amin’ny vavako ny teny marina;
Fa miandry ny fitsaranao aho.
Dia hitandrina ny làlanao mandrakariva aho,
Dia mandrakizay doria.

3. Ary handeha amin’ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.
Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho
Ka tsy ho menatra.

4. Ary hiravoravo amin’ny didinao aho
Satria tiako ireny.
Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny:
Hosaintsainiko ny didinao.

5. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao
Izay nampanantenanao ahy
Izao no mampiononona ahy amin’ny fahoriako;
Ny teninao no mamelona ahy.

6. Ny mpirehareha maniratsira ahy:
Tsy mba miala amin’ny lalànao aho.
Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô,
Dia mionona aho.

7. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy
Noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Ny didinao no ataoko an-kira
Ao amin’ny trano fivahiniako.

8. Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô,
Ka mitandrina ny lalànao.
Izao no ahy:
Mitandrina ny didinao aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.