771 – Tsinjovinao ny vorona

1. Tsinjovinao ny vorona,
Fa tsy mamafy na mijinja,
Nefa ao Ilay Mpamelona
Miahy sy mikajakaja.
Jereo ny vonikazo soa
Fa tsy miasa na mamoly.
Ireo ahin’ny Tompo koa
Ka velona ao an-tanimboly.

2. lsika izay malalany
No dia andrian’ny fony indrindra,
Ka mifalia, ry zanany!
Ny Zanahary no mpitondra
Ry Tompo, Ray malalanayl
Hatoky tsy hanahy intsony
Ny tena sy fanahinay,
Fa manana ny Ray ambony

766 – Jeso Mpanjaka Malaza tokoa

1. Jeso Mpanjaka Malaza tokoa
Nefa Sakaizan’ny ankizy koa
Mamin’ny foko ny fitiavanao,
Sintàny e! ny foko ho tia anao.

Fiv : Jeso malala ô! Tompo be fitia
Tano ny foko tsy haniasia
Ho zaza hendry hahay hanompo
Ho tia Anao anie, ry Tompo ô!

2. Mamin’ny foko hotantananao,
Tiako Jeso, hiaraka Aminao
Ny foko e! arovy ho madio,
Ny faniriako, Tompo ô, valio.
Jeso malala ô! sns…

3. Ny hazazako, ry Tompo, tahio,
Enga ho zaza tia ny madio
Ho zaza hendry, zaza mpankatà,
Anao Mpanjaka, Tompo manan-jo,
Jeso malala ô! sns….

785 – Izahay ankizy te-hidera Anao

1. Izahay ankizy
Te-hidera Anao,
Ry Jeso Mpamonjy!
Ka henoy izao.

2. Zanaky ny Avo,
Jeso Tomponay,
Faly sady ravo
Raha hatoninay.

3. Te-hifalifaly
Izahay izao;
Hira mifamaly,
Tianay hatao.

4. Te-hiravoravo
Miaraka aminao
Nefa mavomavo
Ka antsoy izao.

5.Te-hisoka-bava
Hankalaza Anao;
Hira lalandava
Satrinay hatao.

6.Sambatra ny zaza!
Izay t rot ro i nao;
Na kamboty aza,
Tonga zanakao.

784 – Jeso be fitia!

1. Jeso be fitia!
Zaza izahay,
Avy mitaraina
Mihainoa anay.

2. Bodo sy adala,
Indreo ny zanakao-,
jeso ô, malala!
Aza lavinao.

3. Mpiandry ondry mora!
Mba tarihonao;
Tano tsy hania
Ny ondrikelinao.

4.Aza avela hitady
Laza aman-jo!
Fa Hianao irery
No mahafa-po.

5.Tianao ny zaza,
jeso! fantatray,
Ka manolo-tena
Ho Anao izahay.

6.jeso be fitia
Zaza izahay,
Avy mba hidera;
Mihainoa anay.

783 – He maharavoravo!

1. He maharavoravo!
Miantso zaza e
Ny Andriamanitra avo,
Mpanjaka lehibe:

Fiv : Ka andeha hanatona Azy,
Fa hot’ ny Tomponao:
« Mba avelao ny zaza
Hanatona Ahy izao ».

2.lsika mbola zaza,
Kanefa tian’ny Ray,
Na dia tsy hendry aza,
Na dia tsy mba mahay?
Ka andeha, sns…

3.Ny tahotra esory,
Ny henatra ario,
Tsy laviny akory,
Ka manatàna anio:
Ka andeha, sns…

4. Manetry tena Izy
Ka saotra no atao;
Isika mbola ankizy
Matoky Azy izao.
Ka andeha, sns…

5.He, maharavoravo!
He, mahafaly fo!
Fa zanaky ny Avo
Isika aty anio:
Ka andeha, sns…

782 – Lazao, lazao, rankizy

1. « Lazao, lazao, rankizy!
Izay nandaozan’i jeso
Ny fanjakany mba honina tety ».
« Ry mpampianatray ô!
Hamonjy sy handio
Antsika olom-bery
No nihaviany ».

Fiv : Mifalia izao,:,:
Misy avotra sy vonjy
Ho antsika aty

2. « Rankizy ô, rankizy!
Mpitrosa hianao,
Ka inona no omenao
Hanefa trosanao? »
« Ry mpampianatray ô!
Ny saina amam-po
Homenay mba ho Azy
Raha velona izahay ».
Mifalia izao, sns…

3. « Rankizy ô, rankizy!
Hamonjy sy handray
Anao ve Jeso Tompo
Raha mino hianao? »
« Ry mpampianatray ô!
Matoky izahay
Fa efa maty Izy
Ho avotray to ko a
Mifalia izao, sns…

4. « Rankizy ô, angataho
Ny indrafony izao.
Ry Jeso ô, Mpamonjy!
Mba iantrao izahay
Ry Tompo ô! Ry Tompo!
Henoy, henoy izahay,
Na kely na vaventy,
Izay mitaraina izao: »
Mifalia izao, sns…

781 – Mijere ry ray sy reny!

1. Mijere ry ray sy reny!
Ireto sombin’ainareo Aoka tsy hirenireny,
Tano toy ny ainareo. Aza avela ho adala,
Ray sy reny ô! jereo; Aza mahafoy malala,
Fa tezao ho anareo.

Fiv : Indro ô! Indro ô!
Indro ny zanakareo, jereo, jeso ô!Jeso ô!
Indro ny zanakay mba vonjeo

2. Ray sy reny! Mananàra,
Aza mampanaram-po; Manomeza teny tsara,
Fa ny zaza hankatà:
Aza avela mba hanompa,
Aoka hotezainareo; Mampahory raha manota,
Aoka tsy hafoinareo.
Indro ô! sns…

770 – Hajain’ny saiko, fototry ny aiko

1. Hajain’ny saiko,
Fototry ny aiko,
Itsaohan’ny fanahiko !
Tokana iriko,
Malala tiako
Hianao Jeso Mpamonjiko !

2. Mety malazo
Ny voninkazo,
Ny ahi-maitso koa re !
Fa misy lova
Tsy mba miova :
Jesosy Perla soa e !

3. Ao lalandava
Ny andro mazava,
Ny kintana, ny volana ;
Jesosy irery
Tompon’ny hery
Tsy azo ihoarana !

4. He, igagàna
Ny hatanorana !
Fa na mahafinaritra,
Mety mihena
Ny herin-tena ;
Jesosy no maharitra !

5. Tsy misy fetra
Zavatra rehetra
Hianao Jesosy,
Tokiko, akaiky ahy,
Zoky Mpiahy,
Ny tsara indrindra amiko !

6. Raha ho lasa
Fa vita ny asa,
Tohano aho, Jeso ô !
Ampio aho
Sy atanjaho
Ho sambatra eo an-tratranao !

769 – Misy toerana voafidy

1. Misy toerana voafidy,
Manandaza lehibe
Dia saha sarobidy,
Tena mahavokatra e!
Saha feno fitahiana
Misy vokatsoa ery.
Ao no mendrika niriana
Saha masina izy ity.

2. Ny sekoly Alahady
Io no sahanao ry Ray
Ny baiboly no angady
Hanasoavanao anay;
Mahavatra ny Mpamboatra,
Ka mirobona tokoa;
Voakarakara loatra,
Ka mitombo sy mamoa.

3. Midadasika ny tany
Nefa karankaina koa!
Fa ny sahanao ihany
No tsy manam-paharoa.
Misy rano tsy mba ritra
Dia ny Teny Masinao;
Izay torina eran-tany
Mikoriana lava izao.

4. Ny ankizy sesehena
No mivory eto izao;
Ireo no hazo ambolena
Ao anaty sahanao.
Raha mirona mba tohano
Raha lavo, ajoroy,
Zaza osa, ka tantano
Mbola kely ka toroy!

768 – Endrey! Endrey! Tompo ô!

1. Endrey! Endrey! Tompo ô!
He! Ny hasoavanao,
Fa tsy tapaka hatrany
Izany fitahianao,
Notantananao, ry Tompo
ltony ondrikelinao.

2. Endrey! Endrey! Tompo ô!
He ny fitiavanao:
Efa elabe tokoa
No mba niheveranao
Izany zaza malagasy
Izay irinao mba ho soa.

3. Anio zahay, Tompo ô!
Mankasitraka Anao
Fa ny sandrinao, mahery
No niaro toy izao
Tratranay mandrakariva
Ny androm-pahasoavanao!

4. Tahio tokoa, Jeso ô!
Madagasikaranay
Mba handroso ka ho tonga
Madagasikaranao,
Izany re no faniriana:
Ho tanteraka anie!