756 – Avia, ry sakaiza ô!

1. Avia, ry sakaiza ô!
Fa antsoin’ny Mpanjaka izao!
Handray ny fiadiana
Ho entina hanafika.

Fiv : Velona ny baikonao,
Andrandrainay Hianao,
Ka arahinay tokoa,
Ry Mpandresy ao Ziona!

2. Ny sabatra atolony
Dia ny teny marina,
Ampinga fiarovana
Mahery ny finoana.
Velona ny baikonao, sns…

3. Ny vatsy izay atolony
Dia ny ra sy ny tenany
Ho herintsika olony,
Izay miaramilany.
Velona ny baikonao, sns…

4. Jesosy ô, arahinay
Ny fiantsoanao anay,
Ka manampia ny olonao,
Hiady sy handresy izao.
Velona ny baikonao, sns…

755 – O! ry tanora, mba tsarovy

1. O! ry tanora, mba tsarovy
Ilay Tompo soa maty noho ny helokao;
Izy miantso anao moramora,
Vohay ny fonao hidirany izao.
Ny saina sy ny safidy nomeny,
Ka mba fidio ny ho mpanaraka
An’i Jesosy, Mpanjaka Tsitoha,
Ny fonao atolory hanjakany ao.

2. O! ry tanora, miambena,
Fa ny devoly dia mpamitaka mahay,
Maro, ny fandriny, ka mitandrema
Tsy ho tra-nenina re mandrakizay.
Koa ekeo anatrehan’ny Tompo.
Handao ny ratsin’izao tontolo izao.
Raha Jeso no iankinanao mafy,
lzy hiaro mba tsy hivadihanao.

3. O! ry tanora, mivavaha,
Fa Jeso Tompo dia Mpihaino vavaka,
Azy irery ny hery rehetra,
Dia matokia mba ho afa-tahotra;
Ka raha ory sy mila ho kivy,
Dia andrandraonao Ilay Tompo be fitia;
Ny fitarainanao dia hohenoiny
Ary ny fonao dia hampiadaniny.

4. O! ry Jesosy mba ampio
Izaho mpianatrao mba ho madio fo
Tantano aho, vimbino, ry Jeso.
Fa sarotra ny làlana alehako;
Iriko ny ho mpandresy ny ratsy,
Iriko hahatanteraka ny soa;
Omeo hery sy tanjaka aho,
Efao, ny asa tsara ao anatiko.

754 – Mitsangàna, mandehana

1. Mitsangàna, mandehana,
Ry zatovo be laolao!
Manatôna ny Mpamonjy,
Avelao ny sitrapo.

2. He, tsarovy fa mahantra
Sady ory hianao,
Ka hatàny ny Mpamonjy,
Dieny mbola hitanao.

3. Mandehana, mianara,
Mba ho hendry hianao;
Jeso Tompo no miandry
Hampianatra anao.

4. Ry zatovo! Mandehana,
Mba vitao ny asanao;
Mahereza, aza osa,
Ny Mahery homba anao.

752 – O, ry Jesosy ny Anaranao

1. O, ry Jesosy ny Anaranao
Manatsika ahy izao hanatona,
Hanolotra ny foko ho Anao
Mpamonjy tia sy Mpamelona !

2. Manatona aho ka miondrika
Hanoroka ny tongo-masinao
Izaho olona tsy mendrika
Ka mba havaozy Tompo, ho Anao !

3. Antsoiko isan’andro Ianao,
Ry toky tsara mahafatra-po,
Ka amin’ny Anara-masinao
No anankinako izay hanjo !

4. Raha Io no entiko mangataka
Hisokatra amiko ny lanitra,
Ka dia ho azoko malalaka
Ny zava-tsoa izay maharitra !

5. Mamirifiry izao tontolo izao
Tsy misy tena fitsaharana ;
Fa fiereko ny Anaranao
Ka ahitako fiadanana !

6. O, ry Anaran’i Jesosiko,
Ry paradisa aty an-tany ô !
Ry voninkazo mampifaly fo ;
Ry tohan’aina ao an-dalako,

7. Iriko andro aman’alina
Ny hanana Anao ho ao am-po ;
Ho tokiko raha mbola velona
Sy amin’ny hahafatesako !

750 – Dera, laza ry Mpanjaka

1. Dera, laza ry Mpanjaka
No atolotray Anao,
Noho Ianao nitahy
Tratranay ny taom-baovao !

2. Andro maro izay no lasa,
Be ny soa hitanay ;
Fitahia-mahagaga
Azo taminao ry Ray !

3. Marobe ny ratsy vita,
Lehibe ny helokay,
Ka tsy mendrika hiantso
Ny Anaranao izahay !

4. Miantrà ry Zanahary
Mamelà ny helokay
Ka sasao ny ran’i Jeso
Mba hadio izahay !

5. Aoka re ny andro sisa
Hanompoanay Anao ;
Atanjaho ry Jehovah
Izahay mpanomponao !

577 – Jeso Sakaizanay

1. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza rahateo!
Indreto izahay, vonjeo,
Fa be ny adinay :

Fiv : Jeso Sakaizanay,
Sakaiza rahateo!
Indreto izahay, vonjeo,
Fa be ny adinay.

2. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza be fitia!
Tariho izahay hanao
Ny zava-tianao :
Jeso, sns…

3. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza tsy mandao!
Na dia mpanota aza re
lzahay mpanomponao :
Jeso, sns…

4. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza tsy mamoy,
Na ory na finaritra
Izahay ankehitrio :
Jeso, sns…

5. Jeso Sakaizanay,
Omaly sy anio,
Ka mbola ho Sakaizanay
Mandrakizay doria :
Jeso, sns…

576 – Ry Sakaizan’ ny mpanota

1. Ry Sakaizan’ ny mpanota!
Fantatrao ny zanakao,
Fa malemy, mora lavo,
Ka mangataka aminao ;
:,:Mba todiho, mba todiho
Ka henoy ny vavakay.:,:

2. Raha mitombo harena
Noho ny fanambinanao,
Na matanjaka ny tena
Noho ny fitahianao,
:,:Mba tantano, mba tantano,
Sao tsy mahalala Anao.:,:

3. Raha mamely ny devoly,
Fahavalon-janakao,
Ka mandroso manangoly
Hampisaraka aminao,
:,:Mba tazôny, mba tazôny,
Fa tsy mahatana Anao:,:

4. Raha mangirifiry mafy,
Noho ny tsorakazonao,
Ka ny havana rehetra
Tsy mahita izay hatao,
:,:Mba tsidiho, mba tsidiho,
Fa maniry indrindra Anao:,:

5. Raha tonga ilay fotoana
Hiverenana aminao,
Ka manahinahy foana
Noho ny ratsy izay natao :
:,:Mba tohano, mba tohano,
Hahatsiaro tsara Anao:,:

575 – Ry Jeso ô! Sakaiza

1. Ry Jeso ô! Sakaiza,
Mpamonjy tia anay!
Raha mbola mianjera
Ny rian-drano be ;
Mifofofofo mafy
Ny rivo-doza be,
Vimbino izahay re,
Mba tsy ho faty ao.

2. Arovy izahay re,
Ry Jeso Tomponay!
Ambara-pahalasan’
Ny loza izay manjo ;
Dia ento izahay re
Ho any aminao,
Ka raiso ny fanahy
Ho faly aminao.

3. Kanefa raha mbola
Hijanona izahay
Aty ambony tany
Ka malahelo fo,
Na misy fahavalo
Miady aminay,
Avia, Jeso Tompo!
Ampio ny olonao.

4. Tsy tambonay isaina
Ny olona aminao ;
Hiadana tokoa
Izay horaisinao ;
Fa Jeso no Sakaiza,
Anjely maro be
No hiaraka aminay ao
An-dapa rahatrizay.

574 – Aza kivy hianao

1. Aza kivy hianao
Azom-pahoriana,
Tany no fonenanao,
Misy fihafiana,
Matokia hianao.
Raha tratry ny manjo,
Jeso Tompo herinao,
Aza mety rera-po.

2. Aza kivy hianao
Noho ny manjo izao,
Raha Jeso aminao,
Afa-tahotra hianao ;
Matokia hianao.
Fa Jeso Tompo tia tokoa,
Ka izao rehetra izao
Dia mety mahasoa.

3. Aza kivy hianao
Na dia ory aza ety,
Ny Mpanjaka Tomponao
Mba nihafy koa tety ;
Matokia hianao.
Na inona mihatra izao,
Jeso Ilay Sakaizanao
Tsy mba mahafoy anao.