561 – Raha maizina ny lalana

1. Raha maizina ny làlana,
Jehovah Tompo ô!
Hianao no iankinana,
Hianao no jiroko.

2. Tsy hitako izay hanjo,
Fa takona amiko
Ny andro sisa ianinako,
lzay nalahatrao.

3. Na mbola ela velona,
Na maty haingana,
Ny zarako voatendrinao,
Tsy te-hifidy aho.

4. Fa Kristy ivelomako
Raha mitoetra;
Ny faty tombondahiko,
Fodiana Aminao.

5. Ny fanompoako aty,
Tsy mahavesatra ahy;
Tsy maika te-hiala ety
Raha tsy antsoinao.

6. Raha tapitra ny androko,
Dia tsara lavitra
Ny mody any aminao
Hiala sasatra.

7. Ny sitrakao no sitrako,
Jehovah Tompo ô!
Ny teninao andrasako,
Hianao no tokiko.

560 – Mpivahiny aho eto

1. Mpivahiny aho eto
Tahaka ny razako,
Ka ny foko feno sento
Amin’ny alehako.
Eny, tsy ety tokoa
No ho fitsaharako,
Fa mandalo avokoa
Izay rehetra hitako.
Ka izaho tsy miato
Andro aman’alina,
Nefa aho, izay misento
Dia hasoavina.

2. Be ny mampahory ahy
Mila tsy ho zakako,
Toa velona ahiahy
Ao am-pandehanako ;
Nefa kosa tsy mba tery
Sady tsy mamoy fo,
Fa izaho tsy irery
Eto amin’ny manjo,
Fa jesosy momba ahy
Ka manafa-tahotra ;
Raha ory ny fanahy,
Izy no mahavotra.

559 – He, vetivety ny aty an-tany

1. He, vetivety ny aty an-tany ;
Fa trano lay no itoeranao ;
Ka aza ketraka na mitomany,
Fa andrandrao ny tanindrazanao.

2. He, vetivety ao an-dalan-tery
No mahasarotra ny dianao.
Ka, aza kivy, fa Ilay Mahery
Mamboa-trano hitsaharanao.

3. He, vetivety ao an-tany maina
No mahabe ny fijalianao,
Ka dia ho hitanao ny ranon’aina
Hahafaka ny hetahetanao.

4. Arahonao ny lalan-toratady,
Mba hahafaingana ny dianao ;
Jesosy Tomponao no vavahady,
Ny lanitra no hovantaninao.

5. He, vetivety ary dia ho hita
Ny tany soa mandry fahizay ;
Jesosy ô, faingàna hahavita
Ny fikasanao tsara aminay

566 – Raha mafy ny manjo

1. Raha mafy ny manjo,
Raha be ny hovitray,
Raha malahelo fo,
Mihainoa, Jeso ô!

2. Endrikay notafinao,
Nentinao ny entanay,
Nitomany Hianao,
Mihainoa, Jeso ô!

3. Mafy ny manjo Anao
Nefa tsy mba meloka;
Helokay no nentinao,
Mihainoa, Jeso ô!

4. Voahombo Hianao,
Voatsindron-defona,
Nandry tao am-pasana,
Mihainoa, Jeso ô!

5. Raha ory izahay,
Ka ny fitarainanay
Tonga eo an-tsofinao.
Mihainoa, Jeso ô!

6. Raha tapitra aminay
Ny fe-taom-boatendrinao,
Aza mba mandao anay,
Mihainoa, Jeso ô!

557 – Raha manahy ny fanahy

1. Raha manahy ny fanahy
Azom-pahoriam-be,
Ka ny aina mitaraina,
Ranomaso mitete,
Aza ketraka ety,
Fa tazano ny ary.

2. Ao miharo feo maro,
Fatratra ny hira ao ;
Ao mifaly ny nijaly,
Ory teo, ravo izao ;
Ao Jesosy zokinao
Faly hovantaninao.

3. Hazon’aina tsy mba maina
No maniry tsara ao,
Voninkazo tsy halazo
No ho fifalianao ;
Faly ny mandre izao,
Mainka fa ny tonga ao.

4. Ry Mpamonjy, ho tra-bonjy
Anie ny olonao!
Fa maniry ny tahiry
Ao an-danitra aminao ;
Mba faingàna Hianao
Haka ny malalanao!

558 – Ity fonenana ity

1. Ity fonenana ity
Tsy manam-pitsaharana ;
Maniry aho ho ary
An-koatry ny fasana,
Ny lanitra no hitodiako,
Fa tena tanindrazako.

2. Kanefa mahatahotra
Ny ranobe alehako,
Fa ny tafio-drivotra
Manohitra ny samboko,
Ny tsèlatra, ny kotrokorana,
Mamely sy mandrahona.

3. Ny sambon’ny fiainako
Mamaky onja sarotra,
Ka amin’ny alehako
Mitopatopa fatratra
Ny alondranom-pahoriana,
Kanefa tsy maninona.

4. Fa ny Mpamonjy tokana
Mitarika ny samboko;
Ny Tompon’ny fiainana
Miara-mita amiko,
Mba ho tafita aho olony,
Ka honina any Aminy.

565 – Mandrahona ny andronay

1. Mandrahona ny andronay
Ka raiki-tahotra izahay ;
Avia, manampia anay ;
Ry Tompo ô! Vonjeo!

2. Ny teninao no tokinay,
Ny herinao no tanjakay ;
Afaho loza izahay :
Ry Tompo ô! Vonjeo!

3. Fa misy ifaharanay,
Ka toky be no azonay ;
Hianao no iankinanay:
Ry Tompo ô! Vonjeo!

4. Noho ny nahaterahanao,
Noho ny nahafatesanao,
Sy noho ny fifonanao :
Ry Tompo ô! Vonjeo!

556 – Ny paradisa an-tany

1. Ny Paradisa an-tany
Tsy misy, re, izany!
Ny hazon’aina very,
Fa tsilo be no ao.

Fiv : Ry Foko, aza kivy,
Fa ao ny tany soa,
Ny Paradisa hisy ;
Ry foko, andrandrao!
Tsy misy ory any,
Fa tretrika avokoa ;
Afaka ady ka mihôby ;
Misy hazon’aina ao.

2. Mandrahona ny ady,
Mirehitra sahady,
Fa be ny fahavalo
Mamely ahy izao.
Ry Foko, aza kivy, sns…

3. Ny eso, latsa, ratra,
Matetika mihatra,
Tsaroako avaly,
Ny asa vitako.
Ry Foko, aza kivy, sns…

4. Miferinaina eto
Tomany sy misento;
Indrisy! Ory aho,
Vonjeo, Tompo ô!
Ry Foko, aza kivy, sns…

100 – Moa mba efa nisy va fahoriana toy izao?

1. Moa mba efa nisy va,
Fahoriana toy izao?
Jeso ‘Lay Mpanisy soa,
Tompo sy Mpanjaka koa,
Entina tsy meloka,
Entina any Kalvary.

2. He, ny lanivoany
Voatsindron-defona!
Tongotra aman-tanany
Voafantsika avokoa.
Eny, fa ny ainy koa,
Foiny tany Kalvary.

3. Mafy ‘zay ,ry Jeso ô!
Mafy nefa zakanao;
Ny fitiavanao anay!
No niaretanao izay!
Menatra aho, Jeso ô,
Raha hadino Kalvary.

4. Taomy aho, Jeso ô!
Mba ho any Kalvary;
Ka ny foko tsy madio
Mba diovinao anio,
Ento aho Jeso ô!
Ento any Kalvary.

99 – Ry fitiavan’i Jesosy

1. Ry fitiavan’i Jesosy
‘Zay voahombo ho anay,
Ony be sy mahavonjy,
Aoka ho lasanao ‘zahay.

Fiv : Tompo, Zanakondry tsara
Ampy re ilay ranao,
Tsy helohin’ny Mpitsara,
Zay mpanota afakao.:,:

2. Fa misento ny fanahy
‘Zay ety an-tany ‘zao;
Malahelo sy manahy,
Sao voan’izay natao:
Tompo, Zanakondry, sns…

3. Ny mpanota dia ho very,
Raha tsy mba miova izao;
Fa hahazo tena hery,
Raha mino tsara Anao:
Tompo, Zanakondry, sns…

4. Enga anie ka mba hiely
Ho an’izao tontolo izao
Ilehy ony mahafaly
Manadio sy manavao
Tompo, Zanakondry, sns…