98 – Indro ny Tompo Jesosy, jereo

1. Indro ny Tompo Jesosy, jereo,
Tena nihafy tokoa!
He! Fa nivesatra eso, jereo,
Mba hamonjena anao;

Fiv : Indro Jeso, jereo Jeso:,:
Izy izao dia mihevitra anao.
Indro Jeso, jereo.

2. Indro ny Tompo Jesosy, jereo,
Efa voahombo tokoa!
He! Fa nijaly tsy meloka teo,
Mba hamonjena anao;
Indro Jeso, sns…

3. Indro ny lefo-mandoza, jereo,
Nenti-namely ny Tompo!
He! Fa ny rany nirotsaka teo,
Mba hamonjena anao;
Indro Jeso, sns…

97 – ‘Lay fonao tia tao Gologota

1. ‘Lay fonao tia tao Gologota
No velona ao an-tsaiko izao,
Ny fonao ‘zay mitady mpanota
No voaratra indrindra tao.
Ry fo malala, nihafy loatra,
Lavitra ny mpangoraka Anao

2. lndro! Ny lefona koa mamely,
Ka notrobarana Hianao!
He! Malahelo ireo anjely,
Fa naharary re ny fonao!
Io no fitia tsy misy toa azy.
Zaran’izao rehetra izao :,:

3. Efa hisoka ny antoandro,
Menatra izao tontolo izao;
Tsy ela intsony dia maizina andro
Kalvary ‘zay nihantonanao!
Fa izaho tsy mba hangatakaandro
Hampiantrano ny tenanao

4. Tsy sasatra na valaka koa,
Ny fonao tia, ry Tompo ô,
Menatra izao ity foko tsy soa
Tsy hahavaly tokoa Anao;
Nefa ampio aho hanaiky,
Hanatontosa ‘zay sitrakao

96 – Ilay havoana natao hoe: Kalvary

1. Ilay havoana
Natao hoe: Kalvary
No tany namonoana
Ny Tompo jesosy;

Fiv : O! tsarovy re!
Maty ory tao
Jeso Tompo lehibe
Hanavotra anao.

2. Jereo ny Tomponao,
Tazanonao iry,
Ka andrandrao ny masonao,
Fa io no Kalvary:
O! tsarovy re! sns…

3. Hevero Kalvary,
Fa tao ny Tomponao;
Tsarovinao ny nentiny
Mba hamonjena anao:
O! tsarovy re! sns…

4. Tsinjovy Kalvary.
Fa Jeso Tomponao
Nijaly tany raha tety.
Ka maty Izy tao.
O! tsarovy re! sns…

95 – Ny hazo nijalianao ry Jeso Tomponay

1. Ny hazo nijalianao,
Ry Jeso Tomponay;
Maneho ny fitianao,
Dia iankinanay. (in-3)
Maneho ny fitianao,

2. Mitazana ny masonay,
Mangoraka ny fo;
Na meloka aza izahay,
Ny teninao ho to. (in-3)
Na meloka aza izahay.

3. Ny avotr’aina vitanao
No itokianay;
Ny entanay voaesotrao,
Ka afaka izahay. (in-3)
Ny entanay voaesotrao.

4. Ny hazo nihomboanao
Dia voninahitray;
Ny nanalam-baraka Anao
No isandratanay! (in-3)
Ny nanalam-baraka Anao

94 – Golgota no jereo

1. Golgota no jereo:
Ao ny hazo fijaliana,
Indro re, mihantona eo
Jeso, sady harabina,
Moa mba fantatrao, ry fo,
Ny fitiavan’i Jesosy ?
‘Zay nandefitra tokoa,
Ary koa ninia ho resy

2. Famonjena ho anao
No netezany hihafy,
Ka hijaly toy izao
Sy hiaritra ny mafy.
He, ny rany nitete
Vokatry ny fanomboana;
Vetivety foana re
Dia ho faty ao ny Tompo.

3. Mitsangàna, miaingà,
Ndeha mankany Gologota:
Ao no latsaka ny ra
Hamonjena ny mpanota
Io no hany mahadio,
Antoka tsy hay ravàna;
Eny, samy afak’io
‘Zay rehetra fahotàna.

93 – Nampalahelo mafy re

1. Nampalahelo mafy re
Ny fahorian-dehibe,
‘Zay niaretanao.
Nalaim-baraka Hianao,
Niaritra ka tsy nandao
Lay asa masinao.

2. Ny henatra aman-tahotra
Mangeja anay voavotra,
Fa diso izahay.
Avia, Tompo, mamonje,
Meteza izao maneke
Hanavotra indray.

3. Ampio ny olonao, Jeso,
Hahay handray Anao am-po
Fa mila vonjy izao.
Monena hanatanjaka
Ny ory sy ny reraka,
Izay manantena Anao.

92 – Ry voasatro-tsilo, ry voakapoka

1. Ry voasatro-tsilo,
Ry voakapoka!
Indrisy be ny loza
Manafotra Anao!
Nitsaohan’ny anjely
Fahiny Hianao,
Fa henatra sy latsa
Anjaranao izao.

2. Atolotro, ry Jeso
Ny foko ho Anao,
Hiaraka hitondra
Ny fahorianao.
Raha henatra sy loza
No ho anjarako,
Dia Hianao, Mpamonjy,
No ifaliako.

3. Tsarovy aho, Tompo,
Raha tratry ny manjo!
Tsy mendrika aho nefa
Mba amindraonao fo!
Ny ratranao no misy
Fanasitranana,
Ny ranao ahitana
Ny fiadanana.

91 – O! Fitiavan-dalina

1. O! fitiavan-dalina
Nasehonao ilay alina
lzay namadihana Anao,
Ry Jeso, fototr’aim-baovao.

2. Mangoraka ery ny fo,
Sy ory ny fanahiko,
Raha mba tsaroako izao
Ny loza izay nanjo Anao.

3. Fadiranovana Hianao,
Nangotraka ny adinao;
Ny dinitrao nanjary ra
Noho ny fahoriana.

4. lzany no niaretanao
Noho ny fitiavanao,
Ka nentinao ny heloko
lzay tokony ho nentiko.

5. Namita fanekem-baovao
Ho famonjena Hianao,
Nasianao kase izay
Maharitra mandrakizay.

6. Misaotra Anao, ry Tompo ô!
Fa ravo ny fanahiko
Handray ny fanomezanao
Eo amin’ny latabatrao.

7. Ny teninao inoako,
Ka raisiko ho ao am-po:
Ny zava-tsoa atolotrao
Dia ranao sy ny tenanao.

8. Ry Jeso, amboarinao
Ny fonay ho fonenanao,
Ka Hianao ho tianay
Izao sy ho mandrakizay.

90 – Tsy haiko ny milaza re

1. Tsy haiko ny milaza re
‘Lay fahorianao
Irery tao Getsemane !
Ry Tompo masina ô,
Tarihonao ny saiko e,
Ho ao Getsemane !
Hahita ny fitiavanao
Izao tontolo izao

Fiv : Fitiavana ahy re,
Ry Tompo masina ô,
No niaretanao
Izao mangidy izao !

2. Nangorohoro mafy re
Ny fonao Jeso tia,
Ny tsembokao ‘zay nitete
Nanjary toy ny ra !
Endrey ny fahorianao
Nangotraka tokoa,
Tsy maintsy nosotroinao
Ilay kapoaka tao !
Fitiavana, sns…

3. Ho ahy re, ho ahy re,
No niaretanao
Irery tao Getsemane !
Jeso malala ô,
Sintoninao ny foko e
Ho ao Getsemane,
Hahita izay niaretanao,
Ho tena tia Anao !
Fitiavana, sns…

89 – He mijaly ny Mpamonjy

1. He mijaly ny Mpamonjy
Ao Getsemane izao,
Ô ry te ho voavonjy,
Manaraha Azy ao!
Indro, ny Mpanavotrao,
Fa miady ho anao.

2. Ory ao ny Tompon’aina,
Mafy re ny adiny,
Ka misento mitaraina,
Tot’ ny ra ny dininy.
Ry mpanota, mijere,
Mihevera ka hendre!

3. Indro tonga ny anjely
Mba hampahatanjaka
An’i jeso, Izay mijaly
Amim-panaintainana.
Ry Mpamonjy tia ô,
Mamindrà fo amiko!