477 – Oram-be mivatravatra arotsahy Tompo ô

1. Oram-be mivatravatra
Arotsahy Tompo ô!
Fa mangetaheta loatra
lzahay mpanomponao
O! valio, O! valio,
Mitaraina, ka valio.

2. He! Malazo re ny voly
lzay maniry tsy mamoa;
Nefa raha omenao aina,
Dia ho vokatra tokoa.
O! vangio, O! vangio,
Sao dia maty, ka vonjeo.

3. Tovy eto, ry Mpamonjy!
lzay nambara fahizay,
Ka iraho ny Fanahy
Amin-kery lehibe,
O! henoy, O! henoy,
Ka valio ny vavakay.

4. He! Toa kivy ka manahy
lzahay mpiasanao;
ka ela, ry Fanahy!
Asehoy ny herinao,
O! avia, O! avia,
Misehoa, Fanahy ô!

476 – Ny eo akaikinao ry Ray no mamiko izao

1. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No mamiko izao,
Hanjary tena tafaray
Ny foko sy ny Anao
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao;
Ny hazo fijaliana
Ho tonga maivana.

2. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No herin-janakao;
Hianao irery no mahay
Manampy ahy izao.
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao;
Ny ota tsy hanapaka
Ny olona afaka.

3. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No mandako tokoa;
Ny ratsy dia tsy hahay
Handrombaka ahy koa.
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao;
Ny ora izay manjombona
Ho fiadanana.

4. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No fifaliako izao,
Ny tanako dia hifandray
Amin’ny tànanao.
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao:
Fenoinao fanambinantsoa
Ilay kapoakako.

475 – Jeso Mpamonjy Mpiandry tokoa

1. Jeso Mpamonjy Mpiandry tokoa!
Ampivereno hanaraka Anao;
Ondry mania, manary ny soa,
Aza avela hiala aminao.

2. Taomin’ny ratsy, fitahin-tSatana,
Mila ho lasan-ko babo izahay,
Fa Hianao no mahery mitàna
Tsy hahavery ny ondry iray.

3. Varivariana, salasalaina,
Be ahiahy, jereo izahay;
Ampianaro ny tsy hary saina,
Ampitsaharo ny fanianay.

4. Aina nomenao hisolo ny very,
Ary ny ranao naravotra anay,
Fa Hianao no nitondra irery
Fampijalian-kanitsy anay.

5. Fa ny fiainan-tsi-hita resenao
Velona mandrakizay Hianao;
Dia fiainana an-danitra omenao
lzay ondry mety manaraka Anao.

474 – Jesosy ô, Hianao no faleha

1. Jesosy ô! Hianao no faleha!
Mba hankanesana amin’ny Ray.
Ka mitariha anay Mba handeha
Amin’ny lalana marina indray.

2. Fa Hianao no Mpamonjy voatendry,
Zanaka mandrakizay Hianao;
Ka Hianao no Mpitarika hendry,
Làlana amin’ny Ray Hianao.

3. Diso ny tsara, ka dia nizotra
Tamin’ny làlana ratsy izahay;
Koa mamerena anay mba hizotra
Amin’ny làlana tsara indray.

4. Fa Hianao no mitondra ho any
Amin’ny lanitra fonenanao;
Ary tsy misy mahazo mankany
Afa-tsy amin’ny alàlanao.

5. Maro ny zavatra izay mampahory,
Fa Hianao no Mpiaro anay;
Aoka izahay tsy ho reraka akory,
Ry Mpanalàlana amin’ny Ray!

80 – He ny hoby ao an-danitra

1. He, ny hoby ao an-danitra
Fa Mpamonjy re no teraka
Io no Zanak’Andriamanitra
‘Lay tanteraka

Fiv : Mifalia (O! mifalia)
Mihobia (Sy mihobia)
Fa tonga ho anao ny Tompo tia
Ka mba hirao (Ka mba hirao)
sy lazao (sy koa lazao)
Ny famonjena azonao.

2. Zava-mahagaga fatratra
Ny fitiavan’ Andriamanitra:
Ny mpanota tafasaraka
Tonga sambatra!
Mifalia, sns…

3. O! ry tany izay asandratra
Ka vangian’ny Tompon-danitra
Inona ary no atolotra
Ny Mpanavotra
Mifalia, sns…

78 – Be ny voninahitrao Jeso Kristy Tompo

1. Be ny voninahitrao
Jeso Kristy Tompo!
Lanitra nonenanao,
Maro no hanompo.
Be ny mahasambatra,
Faly re ny fonao;
Nanam-boninahitra
Tao an-dapan-dRainao

2. Fa ny voninahitra
Efa nialanao;
Ny haren’ ny lanitra
Tsy mba nojerenao.
Teraka ho olona
Hianao nahery,
Ka avy mba hanavotra
Ny mpanota very.

3. Eny, tonga Hianao
Honina amin-tany,
‘Hahazoan’ny olonao
Soa tsy ho iany.
Sarotra ny lalanao,
Be ny zava-mafy,
Loza no nanjo Anao.
Maro no nandrafy

4. Saotra no aterinay,
Vavaka aman-dera;
Ravo ny fanahinay,
Ka avy mba hihira,
Vitanao ny asanao
Namonjenao aina,
Ka indro ny Anaranao
Velona ao an-tsaina.

77 – Tonga indray re ny Noely

1. Tonga indray re ny Noely,
Andro tsara sady soa,
Jeso Tompon’ny anjely
Nefa nietry tena koa ;
Indro tonga Zazakely
Ho sakaizanay tokoa,
Sy hamory ‘zay miely
Hody amin-dRainy koa !

2. He, ny fonay ravoravo,
Ry Noely maminay,
Fa ny Zanaky ny Avo
No nomeny ho anay !
Mba hanarina ny lavo
Sady ho fiainanay ;
Feno sy mitafotafo
‘Zany hasambaranay !

3. O ry androm-pamonjena,
Arahaba ianao,
Olo-maro sesehena
No mifaly aminao !
Avy koa mba hitsena
‘Lay Mpamonjy soa ‘zahay
Ka ny fonay no homena
An’i Kristy Havanay.

76 – Miderà anio, ry mino

1. Miderà anio, ry mino,
Ny Mpanavotra anareo !
Manandrata feo hidera
An’i Kristy Tompo soa !
Zanaky ny vehivavy
Nefa Andriananahary ;
Teraka ho olona
Mba hanavotra anareo !
Teraka any Betlehema
‘Lay Mpanavotra anareo !

2. Taitra ny mpiandry ondry
Ary koa nivadi-po
Tamin’ny anjely maro
Tonga tany aminy !
Fa isika tsy ho taitra
Fa ho faly sy ho ravo :
Sitraky ny Tompo soa
Nidina ka nankaty !
Teraka any Betlehema
Jeso Kristy Tompo soa !

3. Aza taitra, matokia,
Manatòna, mihainoa,
Mazotoa, ka avia
Maneke ny Tompo soa !
Arahaba, Tomponay ô
Tompom-pihavananay,
Teraka ho Tomponay,
Tompon’ny fiainanay,
Arahaba Tomponay,
Ry Mpanavo-dehibe !

75 – Andro malaza sady soa tokoa

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso:
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa
Mba hampiseho fihavanana,

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

2.Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoko Azy koa.
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:
Mifalia, sns…

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anie:
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:
Mifalia, sns…