352 – Fantatrao va ny Mpamonjy

1. Fantatrao va ny Mpamonjy,
llay Tompon-danitra?
Jeso, Kristy sy Mpanjaka,
Zanak’Andriamanitra,
Lay nandao ny lapan-dRainy
Feno voninahitra
Tompo tonga mba hanompo
Noho ny fitiavana.

2. Eny, zava-mahagaga
Fietrena lalina:
Saro-bidy ka tsy foiny
‘Sika olombelona.
‘Lay Mpisorona Ambony
‘Zao no Jeso sorona,
Ka manolotra ny ainy
Mba ho fanavotana.

3. Ao ny lanitra mivoha
Miantso anao hiakatra:
Aoka tsy hiroa saina,
Manapaha hevitra,
He mitsotra moramora
Mba handray ny tànany;
Mitodiha: izao no ora,
Maneke ho zanany

351 – Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziona

1. Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziona,
Fa miposaka aminao ny fahazavana soa !
Ny fanilom-pamonjena, indro fa toriana
Hanazava ny olona tokoa !

Fiv : Mivoaha, asandrato ny fanevasoanareo !
Tsenao re ny Mpanjaka fa avy aminao
Ny famonjeny sy ny lova izay atolony anao,
Satria hianao dia tsy foiny !

2. Voninahi-panjakana isaloranao,
Sy anaram-baovao no iantsoana anao !
Fampakaram-bady, fety, anaingàna anao,
Mba ho an’i Kristy, Ilay Tomponao !
Fiv : Mivoaha, asandrato, sns…

3. O, Ry mpiambina tinendry eo ambony manda,
Aza avelanao hangina re ny feonao !
Ka hijoro izao ny mino fa tsy hisy banga
Eo an-tobin’i Jeso Tomponao
Fiv : Mivoaha, asandrato, sns…

350 – Hianao ry Ray no mibaiko

1. Hianao ry Ray no mibaiko
Hanaovanay ny asanao
Ka ny handà dia zava-tsy haiko
Na sarotra aza ny atao
Ny fitoriana lalaina
Natomboky ny mpianatrao
Dia tsy azo atao very maina
Fa he, tohizanay izao.

2. Fa mbola adidin’ny mazava
Mitondra ny fanala izao,
Hiainga, handeha hampisava
Ny aizina ao an’ala ao.
‘Reo rahalahy sy rahavavy
Dia be tsy mahalala Anao
Koa indro, Tompo, aho, avy
Hitory ny Anaranao.

3. Kanefa tsy ny eto ihany
No anirahanao anay,
Fa na ny any lavitra any
Dia samy mbola adidinay.
Hiezaka, hikely aina,
Ho mafy koa ny teninao
‘Zay hany tena mofon’aina,
Ho an’izao tontolo izao.

348 – Andriamanitra tahio ny mihaino

1. Andriamanitra
Tahio ny mihaino
Ny tsy manao vava-poana
Hahazo ny iriny.
Andriamanitra
Ho masoandrony;
Ka ny Fanahy Masina
Mpitari-dalana.

2. Ny Anaran’i Jeso
No voninahiny;
Ny hamarinan’i Kristy
No fihaingoany.
Tiavo Jesosy,
Ry mino ny teny!
Katsaho fihavanana,
Ry tsy mino rehetra!

735 – Arovy, Ry Tsitoha

1. Arovy, Ry Tsitoha,
Ny Tanindrazanay,
Vimbino avokoa
Izay mitondra anay;
Ity Nosy ity tahio,
Mba handry fahizay;
Tantano sy ampio,
Handroso izahay!

Fiv : Ny tsara mba tohano,
Ry Zanaharinay,
Ny ratsy mba sakano,
Mba hiadananay.

2. Tahio ny mpitsara
Nampanapahinao,
Hahay hitondra tsara
Izao olonao izao;
Ny lehibe rehetra
Vangio sy hafanao,
Mba hanam-po miantra,
Hatahotra Anao.
Ny tsara mba tohano, sns…

734 – Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay !

1. Zanahary ô, tahio
Ny tanindrazanay
Handroso lalandava,
Handry fahizay !
Enga anie hanjaka ao
Ny saina mahay miray ;
Dia ho tany sambatra
‘lay Madagasikaranay !

2. Ireo mpitondra anay
Arovy lalandava koa,
Tolory saina hendry,
Kinga sy mahay
Ka ny marina anie
No mba hanjaka ao tokoa ;
Dia ho tany sambatra
‘lay Madagasikaranay !

3. Ny taranakay tahio
Ho vanona tokoa :
Ireo no solofo,
Dimby rahatrizay !
Mba ho tena mahatoky,
Feno fahendrena koa ;
Dia ho tany sambatra
‘lay Madagasikaranay !

733 – Ny fihaonana an-tany

1. Ny fihaonana an-tany,
Ry Jesosy Tomponay,
Vetivety mora lany,
Ka mangoraka izahay,
Namana nifankahazatra
Hifanao veloma anio.
Ry Jesosy be fiantra,
Ny mpandeha mba tahio.

2. Ny ho lasa mba tantano
Tsy ho voa an-dàlana;
Ny hitoetra koa tohano,
Dia mba hiadana.
Na maraina na hariva,
Na aiza alehany ety,
Mba ombay mandrakariva
Mandra-podiny ary.

3. Any volana, any taona,
Ny misaraka izao
Enga anie tafahaona
Raha mbola sitrakao.
Ilay fihaonana ao ambony.
No irinay fatratra,
Tsy hisaraka intsony
Izahay ka sambatra.

732 – Veloma indrindra, ry havana ô!

1. Veloma indrindra, ry havana ô!
Veloma, e, mandrampihaona;
Ry Tompo, vimbino an-dalana ao
Ny havana izay vao handeha;
Ka ny mifanao
Veloma izao
Tahio, mba ho tafahaona!

2. Ry Jeso Mpamonjy, tariho izahay
Hihaona indray ao ambony,
Hiara-pinaritra mandrakizay,
Rehefa tafita ny ony,
Hiara-manao
Ny hira vaovao,
Fa tsy mba hisaraka intsony!

731 – Enga anie ka homba anao Jeso!

1. Enga anie ka homba anao Jeso!
Hanadio sy hanazava,
Hampahery lalandava
Enga anie ka homba anao Jeso!

Fiv : Homba anao, Homba anao Jeso
Homba anao anie Jeso,
Homba anao, Homba anao Jeso
Enga anie ka homba anao Jeso

2. Raha mitambatra ny rahona,
Ka mikimpy ny masoandro,
Raha Jeso momba isan’andro
Ho tantely koa ny vahona.
Homba anao, sns…

3. Mangamanga indray ny lanitra
Loharanom-pitahiana
Sady foto-pifaliana.
Jeso Zanak’ Andriamanitra.
Homba anao, sns…

4. Raha mitolona ady sarotra,
Matokia fa tsy ho irery,
Homba anao Jeso mahery,
Homba anao tsy miady varotra
Homba anao, sns…

5. Raha hilaozana ny havana,
Sady mainty koa Jordana,
Ho mazava ny fitàna
Ao Jeso hanangana avana.
Homba anao, sns…

6. Raha Jesosy no mitantana,
Paradisa koa ny tany,
Hasambarana hatrany,
Ao Kanana no hamantana.
Homba anao, sns…