242 – Misaotra Anao ‘zahay, ry Ray!

1. Misaotra Anao izahay, ry Ray!
Fa tsy nafenina anay,
Izay tena sitrakao tokoa
Mba hahazoanay ny soa.

2. Ka mitariha anay izao
Handray ny toro-hevitrao
Izay lazain’ny teninao
Hanaovanay ny sitrakao.

3. Ampahirato izahay
Hahaizanay mahita anio
Ny zava-mahagaga anay
Ao amin’ny lalànao soa.

4. Ampianaro izahay
Ho tia tokoa ny teninao,
Ka hankatò ny didinao,
Hanaiky hotapahinao.

5. Ny asan’ny Fanahinao
Mba tanteraho aminay
Hampiorina ao anatinay
Izay lazain’ny teninao.

248 – Nitondra ny zaza ny reny

1. Nitondra ny zaza ny reny tao Salema,
Mba hotahin’i Jeso Kristy be indrafo;
Nolavin’ny mpianatra izy,
Nefa hoy Jesosy hoe:
« Avelao ny zaza hanatona izao »

2. Fa Ahy ny zaza ka tiako indrindra,
Mpiandry zanak’ondry Aho, ka aza mandà;
Fa raha manatona Ahy izy,
Hotahiko tsara e:
« Avelao ny zaza hanatona izao »

3. Endrey, mahagaga ny fiantran’i Kristy,
Fa indro, zazakely aza asiany soa;
Avia, manatòna Ilay Mpiandry
Zanak’ondry, ka
« Avelao ny zaza hanatona izao »

4. Ry Jesosy Tompo!
Mampanatòna Anao re
Ny zazakely tafavory eto izao;
Izay mandrara mba rarao,
Ho to anie ny teninao:
« Avelao ny zaza hanatona izao »