FF 26 – Jesosy reharehako

1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy Voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao

Fiv: Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny Fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao

2- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Izay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao

3- Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao, tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marinao.