769 – Misy toerana voafidy

1. Misy toerana voafidy,
Manandaza lehibe
Dia saha sarobidy,
Tena mahavokatra e!
Saha feno fitahiana
Misy vokatsoa ery.
Ao no mendrika niriana
Saha masina izy ity.

2. Ny sekoly Alahady
Io no sahanao ry Ray
Ny baiboly no angady
Hanasoavanao anay;
Mahavatra ny Mpamboatra,
Ka mirobona tokoa;
Voakarakara loatra,
Ka mitombo sy mamoa.

3. Midadasika ny tany
Nefa karankaina koa!
Fa ny sahanao ihany
No tsy manam-paharoa.
Misy rano tsy mba ritra
Dia ny Teny Masinao;
Izay torina eran-tany
Mikoriana lava izao.

4. Ny ankizy sesehena
No mivory eto izao;
Ireo no hazo ambolena
Ao anaty sahanao.
Raha mirona mba tohano
Raha lavo, ajoroy,
Zaza osa, ka tantano
Mbola kely ka toroy!