230 – Mba trotroy ny olona ory

1. Mba trotroy ny olona ory,
Ry Jesosy Tompo ô!
Tsy hirenireny saina,
Fa handray ny teninao;
:,: Olona osa, olona osa
Ento mora, Tompo ô! :,:

2. Jeso, Tomponay Tsitoha!
Taomy ny sakaizanay,
Mba ho tonga mpino koa
Sy hiankina aminao,
:,: Mba tariho, mba tariho
Izy ho mpanomponao :,:

3. Faly izahay, Jesosy,
Tratr’izao anio izao,
Tafavory ka hihaino
Ny Filanzantsaranao,
:,: Raisonao re, raisonao re
Izao fisaoranay izao! :,:

229 – Jesosy ô! Mba hasoavinao

1. Jesosy ô!
Mba hasoavinao
Ny asanay, izay atombokay
Amin’ny anaranao;
Ka mba ombay
Fa satria sitrakao,
Fa ny anaranao
No anton’ny atao.
Dia hotanterahinay
Mba ho fifalianay
Sy ho voninahitrao.

2. Jesosy ô!
Derainay Hianao,
Fa feno famonjena olona
Ny Anara-masinao!
Ny herinao
Tompo ô! Manavao
Izao tontolo izao
Ny teny masinao
Dia iankinanay;
Hianao isaoranay
Eto sy rahatrizay.

3. Jesosy ô!
Ny fanorenana
Iainanay sy hahafatesanay
Dia ny Anaranao,
Fa Izy no
Manome toky be,
Ka hitsangananay
Ho velona indray;
Dia mba horaisinao
Izahay navotanao
Amin’ny Anaranao.

225 – Aty an-tranonao izao

1. Aty an-tranonao izao
No iangonanay
Hitady soa aminao,
Hahafaka ota anay,
Hiantso ny Anaranao,
Handinika ny teninao,
Izay mahavelona anay,
Ka mba ambinonao.

2. Na vitsy aza eto izao,
Na be no tonga aty,
Dia aza mba lalovanao,
Atreho izahay!
Raha tonga eto Hianao
Dia ampy izany ho anay:
Ny fofonain’ny Tomponay
No mahavelom-po.

3. Raha misy mangatsia-po,
Mba hafanao, ry Ray;
Iraho ny Fanahinao
Hamelona anay,
Hanetsika ny mafy fo
Ho tonga mpino mankatò
Izay lazain’ny teninao
Hataon’ny zanakao.

4. Izay rehetra tonga aty
Ampirisihonao,
Ka aoka samy hankafy
Ny fanavotanao,
Ny fonay mba sokafinao
Handray ny fananaranao;
Ao aminao ny hery be,
Efao ny sitrakao.

5. Ambininao ny irakao
Hitory teny izao;
Tolorinao ny hevitrao,
Ny fony hafanao;
Sokafy re ny vavany,
Tendreo koa ny lelany
Hilaza tsara aminay
Ny sitrakao, ry Ray.

224 – Tafavory izahay ka manatona Anao

1. Tafavory izahay ka manatona Anao,
Zanahary nahary anay;
Ka mba raiso izao
Izahay zanakao;
Aza lavina re, izahay!

2. Tafavory izahay ka miantso Anao,
Ry Jesosy Mpamonjy anay;
Mihainoa, Tompo ô!
Mitenena izao,
Fa mitady Anao izahay!

3. Tafavory izahay ka miandry Anao,
Ry Fanahy Mpananatra anay;
Aidino ilay
Afonao fahizay,
Areheto aty aminay.

223 – Mba avia, malakia

1. Mba avia, malakia,
Ry mangetaheta ô!
Teny tsara no ambara,
Ka henoy erampo;
Fa Jesosy ranon’aina
No torina sy lazaina.

2. Ny Mpamonjy mahavonjy,
Mahatonga soa be,
Ka tsy maintsy ho tra-bonjy
Izay manantona Azy re
Ka henoinao ny teny
Manambara ny omeny.

3. Mba tariho sy tahio
Aho, ry Jesosy ô!
Mba ho ahy ny Fanahy
Hanazava ap am-po,
Hampahery fo sy saina,
Ka hamelona ny aina.

221 – Mivory eto izahay

1. Mivory eto izahay.
Jesosy Tompo ô!
Avaia hanazava anay,
:,: Hinoanay Anao :,:

2. Maniry mafy izahay
Hihaona aminao:
Omeo hosotroinay
:,: Ny rano velona :,:

3. Ny mofon’aina mba zarao
No anay, ry Tompo ô!
Tahio re ny irakao,
:,: Ho voninahitrao :,:

4. Ny fonay dia atolotray
Anao Jesosy ô!
Omeo hery izahay
:,: Hanao ny sitrakao :,:

5. Raha tapitra ny andronay,
Izay voafetranao,
Dia ento mody izahay
:,: Ho any aminao :,: