AN 15 – Voninahitra amin’ny avo indrindra

Voninahitra amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon’ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.

:,: Derao, hobio ny Anaran’i Jehovah! Azy anie ny dera sy ny laza ety an-tany ka hatrany an-danitra! Dia hamasino izahay, ry Tompo ô, hitoeran’ny voninahitrao.:,:

Voninahitra amin’ny avo indrindra, ho an’Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon’ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.

AN 14 – Haleloia! Iza moa ireo miakanjo fotsy lava

Haleloia! Iza moa ireo miakanjo fotsy lava, ary avy taiza izy ireo? Ireo no avy tamim-pahoriana lehibe, ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanakondry! Haleloia! Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy, ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoly. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, fa ny zanak’ondry izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy, ka hitondra azy amin’ny ranon’aina, ary hofafan’Andriamanitra ny ranomasony rehetra amin’ny masony.

AN 13 – Akory ny hamaroan’ny asanao

Akory ny hamaroan’ny asanao, ry Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra. Henika ny asanao izao tontolo izao. Ao ny ranomasina feno zava-manana aina, na kely na lehibe. Indro ny lanitra, feno famirapiratana mahagaga; ary ny tany rehetra samy feno zavatra avokoa, ka mampiseho ny voninahitrao, Andriamanitra ô!

600 – Ry Raiko ô!

1. :,:Ry Raiko ô! :,:
Izaho aty mpivahiny
Manina ny tranonao,
Ka mba tariho
Ny zanakao.

2. :,:Ry Raiko ô! :,:
Indro, Satana milofo
Mba hanangoly anay,
Ka mba vonjeo
Ny zanakao.

3. :,:Ry Raiko ô! :,:
Maizina sady malama,
Sarotra ny lalanay,
Ka mba tantano
Ny zanakao

4. :,:Ry Raiko ô! :,:
Maro ny zava-mihatra,
izay mampanahy anay
Ka mba tohano
Ny zanakao

597 – Ô ry Jesosy Mpamonjy mahery

1. Ô ry Jesosy Mpamonjy mahery!
Izaho maniry indrindra Anao,
Fa reraka aho ka mila ho very;
Ny foko saronan’ny ratsy izao:

Fiv : Ry Tompo, tsilovy,
Ny lalan’ny saiko,
Ka mba arovy
Ny fo sy ny aiko!

2. Efa hanafotra ahy ny rano,
Faingàna, Jesosy, vonjeonao re!
Ho difotra aho, ry Tompo, ka tano,
Diovy, afaho ny foko anie!
Ry Tompo, tsilovy, sns…

3. Efa akaikin’ny lalina aho,
Ka mila ho voa, hilentika ao;
Ry Tompo malala, ny foko tanjaho,
Ka mba hazavao hahalala Anao:
Ry Tompo, tsilovy, sns…

4. Aiza izao Hianao, ry Mpamonjy,
Ry Tokin’ny ory sy reraka ô,
No tsy mampiseho ny herin’ny vonjy
Hanafaka ahy, izay ory am-po?
Ry Tompo, tsilovy, sns…

5. Ô, ry Jesosy, izay naharara
Ny onja namely ny sambo tarý
Anivon’i Genesareta ho tsara
Toneo ny onjan’ny foko atý!
Ry Tompo, tsilovy, sns…

596 – Indreto izahay mitomany

1. Indreto izahay mitomany
Fa be alahelo ny fo;
Ny ota no fototr’izany,
Ny heloka sy ny mania;
Fa reraka, re, ny fanahy,
Mahantra sy be ahiahy,
Ka tena variana ery

2. Ry Tompo, Izay mofon’ny aina
Ry rano mamelona anay,
Tsinjovy izay mitaraina,
Mahantra izao izahay!
Onòny ny fonay fa voa,
Omeo izay mahasoa,
Monena aminay Hianao.

3. Ny fonay dia be hetaheta.
Maniry indrindra Anao;
Ry Tompo, mba mampahareta
Anay ho mpanaraka Anao;
Ny reraka ataovy mahery,
Vonjeo izahay olom-bery
Matoky Anao izahay!

594 – Ry Tompoko malala, mpiandry tsara ô

1. Ry Tompoko malala,
Mpiandry tsara ô!
Hianao no mahalala
Ny hasasarako.
Ny ota an-tapitrisa
Izao mandreraka!
Ka manomeza ahy
Fiadanana!

2. Ry Tompoko malala,
He, zatra Hianao
Mampody ny adala
Niala taminao;
Ampiadano aho,
Tariho lalana,
Ka mahareta, Tompo
Aza sasatra!

3. Ry Tompoko malala,
Te-hody aho izao,
Fa manina ny vala
Ny ondrikelinao;
Ka mitalaho aho:
Vohay, ry Jeso ô,
Izay mba efitrano
Hitoerako!

593 – Ry Jeso ô, Mpanjakanay

1. Ry Jeso ô, Mpanjakanay,
Hadinonao va izahay,
No tsy omenao faingana
Ny rano mahavelona?

2. He, maina sy mangetana
Sy ivesarana entana,
Ka mapiferin’aina anay
Ny efitra onenanay.

3.Tsy hitanao ve, Tompo ô,
Fa valaka sy rera-po,
Malain-kanaraka Anao
Ny olom-boafidinao?

4. Aidinao ny Fanahinao
Sy fifaliam-po vaovao;
Ny ranon’aina anie
Hatondrakao ny tany re!

5. Reseo ny fahavalonay,
Omeo rariny izahay,
Tapahonao ny gadranay,
Ampiadano izahay!

592 – Be ny mampahory

1. Be ny mampahory
Aty, Jesosy ô!
Kely, osa, ory,
Ny mpanomponao.
Ry Mpiandry lehibe,
Anao ny tenako;
Hianao irery re,
No iankinako.
Tompo ô, ny foko
Manantena Anao.

2. Miarova ahy,
Jesosy Tompo ô!
Tena sy fanahy
Hasoavinao,
Ry Mpamonjy lehibe,
Anao ny tenako;
Hianao irery re
No vatolampiko.
Tompo ô, ny foko
Manantena Anao.