90 – Tsy haiko ny milaza re

1. Tsy haiko ny milaza re
‘Lay fahorianao
Irery tao Getsemane !
Ry Tompo masina ô,
Tarihonao ny saiko e,
Ho ao Getsemane !
Hahita ny fitiavanao
Izao tontolo izao

Fiv : Fitiavana ahy re,
Ry Tompo masina ô,
No niaretanao
Izao mangidy izao !

2. Nangorohoro mafy re
Ny fonao Jeso tia,
Ny tsembokao ‘zay nitete
Nanjary toy ny ra !
Endrey ny fahorianao
Nangotraka tokoa,
Tsy maintsy nosotroinao
Ilay kapoaka tao !
Fitiavana, sns…

3. Ho ahy re, ho ahy re,
No niaretanao
Irery tao Getsemane !
Jeso malala ô,
Sintoninao ny foko e
Ho ao Getsemane,
Hahita izay niaretanao,
Ho tena tia Anao !
Fitiavana, sns…

89 – He mijaly ny Mpamonjy

1. He mijaly ny Mpamonjy
Ao Getsemane izao,
Ô ry te ho voavonjy,
Manaraha Azy ao!
Indro, ny Mpanavotrao,
Fa miady ho anao.

2. Ory ao ny Tompon’aina,
Mafy re ny adiny,
Ka misento mitaraina,
Tot’ ny ra ny dininy.
Ry mpanota, mijere,
Mihevera ka hendre!

3. Indro tonga ny anjely
Mba hampahatanjaka
An’i jeso, Izay mijaly
Amim-panaintainana.
Ry Mpamonjy tia ô,
Mamindrà fo amiko!

88 – ‘Lay ora tao Getsemane

1. ‘Lay ora tao Getsemane
Tsy mba hadino re,
Raha Hianao no tsembo-drà,
Ry Tompon’avotra.

Fiv : ;.;Tsahiviko;.;
Ny fahorianao.
Raha tsinjoko ny ady be,
Ilay tao Getsemane.

2. Nafoin-dRay irery tao.
Nilaozan-kavanao.
Handraisana anay indray
Ho zanaky ny Ray.
:,: Tsahiviko, sns…

3. Nandroso mba hijaly tao,
Ry Tompo, Hianao;
Fadiranovana sy maty
Hanavotra anay.
:,: Tsahiviko, sns…

4. Fa vinitra Jehovah Ray
Noho ny ditranay;
Ninianay nolavina
Ny didy masina.
:,: Tsahiviko, sns…

5. Ka Hianao nasiana
Ho solo-voina;
Ny dinitrao, ry Tomponay,
Dia valin’otanay.
:,: Tsahiviko, sns…

6.Fa sitrakao, ho afaka
Ny olo-meloka;
Endrey ny fitiavanao
Anay navotanao!
:,: Tsahiviko, sns…

7. Raha mila hangatsia-po
lzaho, Tompo ô,
Mba ampisaino ahy re
Ny tao Getsemane
:,: Tsahiviko, sns…

87 – Nitomany ny Mpamonjy

1. Nitomany ny Mpamonjy,
Fa tsy nety ho trabonjy
Israely olony.

2. Izy dia nanambara
Taminy ny teny tsara
Feno fitiavana.

3. Ka ny jamba, kilemaina,
Moana sy very saina
Dia nositraniny.

4. He, ny soa efa vira,
Nefa nody tsy nahita
Ny ankamaroany.

5. Ary, lotika ny fony,
Koa halany ny Ony
Feno rano velona.

6. Ry Mpamonjiko malala !
Aoka aho hahalala
Ny fitomanianao.

7. Ary hahalala koa
Fa ny soa mahavoa
Raha tsy horaisina.

86 – Jereo ny Mpamonjy, izay miakatra

1. Jereo ny Mpamonjy,
Izay miakatra
Ho ao jerosalema
Hanao ny avotra;
Na dia be ny ratsy
Mikendry Azy ao,
Ny mba hamonjy azy
No tiany hatao.

2. Tsy biby manan-daza
No nitaingenany,
Tsy ny hitady laza
No nihaviany;
Kanefa manan-kery
Handresy ho anao;
Ny ratrany irery
No aina ho anao.

3. Ilay voasatro-tsilo
Noho ny helokao
Dia mety sy maniry
Mba ho Mpanjakanao.
Ny rany sarobidy
Omeny ho anao,
Ny lanitra nihidy
Misokatra aminao.

4. Ampio mba ho haiko
Hatolotra Anao,
Jesosy ô, ny aiko
Ho voninahitrao;
Velariko ny foko
Eo anoloanao,
Tsy misy tsy ho foiko
Mba hodiovinao.

5. Hosana ! Ry Mpamonjy,
Hiraiko ho Anao,
Fa mamin’ny tra-bonjy
Ny fiderana Anao.
Hosana! Tompo tsara!
Soava dia izao!
Handresy ny devoly
No anton-dianao.

85 – Avelao isika izay te ho tia

1. Avelao isika
Izay te ho tia
Ny Mpanavotra antsika,
Hanaraka Azy.

2. Aoka ho fantantsika
Ny fitiavany
Sy ny anton’ny asany
Hiderantsika Azy.

3. Be ny fiantrany,
Nijery ny ory,
Tratran-dRainy nialany
Ho teraka olona.

4. Be ny fiantrany,
Nijaly ka maty
Hamonjeny ny mpanota,
Ka Izy hisaorana.

84 – He ! Be ny hasoavana

1. He ! Be ny hasoavana.
Fa tonga ny fotoana,
Ka Kristy Tompo teraka
Hamonjy sy hanavotra.

2. Ny fahotan’ny olona
Dia lova tamin-drazana;
Isika trany avokoa,
Ka very re ny aina soa.

3. Inty ny Zaza Masina e,
Izay neken’ny Rainy hoe:
« Ny Zanako Malalako,
‘Zay mamiko sy sitrako.

4. Ny dera eran-danitra
Omeo an’Andriamanitra,
‘Zay nahafoy ny Zanany
Hanavotra ny olony.

83 – Ry Jeso ô! Hianao no mahavonjy

1. Ry Jeso ô! Hianao no mahavonjy
Izay rehetra hiankina aminao;
Tonga taty hitady sy hamonjy
Izay mpanota very Hianao.

Fiv : He! Ry mpanota very aty!
:,: O! mankanesa ho any aminy.:,:

2. Na dia Zana-janahary aza,
Na dia Tompo aza Hianao,
Tsy mba nitandro hery aman-data
Fa tonga olono ory Hianao.
He! Ry mpanota, sns…

3. Tamin’ny dianao nanaovan-tsoa,
Tsy nahalala sasatra Hianao;
Fa Hianao tsy nanana tokoa
‘Zay nametrahanao ny lohanao.
He! Ry mpanota, sns…

4. Dia nolatsaina sy nalam-baraka
Sy novonoin’olon-dozabe,
Ka dia maty Hianao Mpanjaka
Ho fanavotana olo-marobe.
He! Ry mpanota, sns…

5. Ny fasanao nambenan’ny mahery,
Nefa tsy ela tao ny Tomponay
Velona indray hamonjy olom-bery,
Velon-kanao fifonan-ko anay.
He! Ry mpanota, sns…

82 – He, Zaza mahasambatra

He, Zaza mahasambatra
No omena ho antsika;
Virjina no niteraka
Ilay Andriantsika,
Izay Zanak’Andriamanitra
Nandao ny voninahitra
Hanavotra ny very;
ka saotra no aterinay,
Ry Jeso Kristy Tomponay,
Mpamonjy manan-kery’

81 – Tao an-tsahan’i Betlehema

1. Tao an-tsahan’i Betlehema
Reo mpiandry ondry re,
Novangian’ny serafima
Sy anjely marobe !

Fiv : :,: Voninahitra ho an’Andriamanitra:,:
Amin’ny avo !

2. Njay ny hiran’ny anjely
‘Zay niredona tokoa :
« Indro tonga Imanoely,
Zaza masina sy soa » !
Voninahitra, sns…

3. Nofo notafian’ny Teny,
Lanitra nilaozany !
‘Ndao isika izao hankany,
Be tokoa ny lazany !
Voninahitra, sns…

4. Voninahitra ao ambony
Ho an’Andriamanitra !
Ka ny hira no redony
Solon-java-manitra !
Voninahitra, sns…