376 – Mpanota ory sy mahantra

1. Mpanota ory sy mahantra,
Henoy ny teny ho anao:
Jesosy Tompo be fiantra
Nisolo voina anao,
Ka Izy feno indrafo
Mitaona anao hiova fo.

2. Jesosy Tompo sy Mpamonjy
Miantso ny anaranao;
« Mpanota very, mila vonjy,
Minoa Ahy hianao!
Ny sainao aoka ho vaovao,
Ny fomba ratsy ialao! »

3. Jesosy koa mampahery
Ny sasatra ao an-dàlana;
Ny rany soa manan-kery
Hahafaka ny entana;
Jesosy tsy mandroaka
Ny ory izay manatona.

4. Ka itokionao ny teny
Naloaky ny vavany!
Ny mino Azy hovonjeny
Hanatrika ny tavany,
Sakaizako mahantra ô!
Ario ny famoizam-po,

375 – Raha mangoraka ny fo

1. Raha mangoraka ny fo!
Ao ny Ray be indrafo;
He! Antsoiny hianao,
Moa tsy hody va izao?

Fiv : :,: O! modia, O! modia,
Fa miandry Kristy izao.:,:

2. Miverena ankehitrio,
Tsy ampitso, fa anio;
Aza mba manary dia,
Fa modia anio, modia
O! modia sns…

3. Izay rehetra maminao
Tsy hahafa-po anao:
Jeso no anjara soa
Hiadananao tokoa,
O! modia sns…

4. Manatòna, matokia,
Mandrosoa, mifalia;
Kristy no fiainanao
Sady voninahitrao
O! modia sns…

374 – Hevero, ry andevom-pahotana

1. Hevero, ry andevom-pahotana,
Ny halozan’ny fanampaanaa;
Katsaho, re! Ilay manam-pahefana,
Hanapaka ireo gadranao,
Ho be ny fiadananao
Raha olona miova fo tokoa hianao.

2. Hevero, fa miantra ny Mpanjaka
Dia Jeso Kristy Ilay Mpanavotrao,
Fa be fitia Izy ka te-haka
Anao ho Azy, hifalianao;
Ny fo sy sainao ho vaovao
Rehefa raisiny ho Azy hianao.

3. Hevero, fa ny fifalian’ota
Ho faingan-dasa, tsy maharitra,
Fa fijaliana no tambin’ota
Ka mafy sady tsy mba tapitra
lzay no andosironao
Ry olona miova fo tokoa izao.

373 – Moa isaoranao ny Tompo

1. Moa isaoranao ny Tompo
Noho ny nidinany,
Tonga teto mba hanompo
Sy handà ny tenany?
Be no tsy mihevitra
An’Ilay Mpanavotra,
Ka mihambo ny ho tsara,
Ka ho ratsy fiafara.

2. Tena marina tokoa
Fa amin’ny finoana
No andraisana ny soa,
Dia ny fiainana;
Nefa raha arianao
Ny fiainana vaovao.
Dia ho very ny anjara
lzay omen’ny Tompo tsara.

3. Fa tsy mety tsy akory
Ny fanaon’ny sasany,
lzay sondriana matory,
Tsy mitsapa farany!
Sady tsy mba ta-handao
lzao tontolo ratsy izao,
Fa manompo Tompo roa
Ka manary lova soa.

4. Efa tonga ny mazava,
Moa mino hianao?
Moa fantatrao fa rava
Ny fiainan-dratsinao?
Moa Jeso va izao
No mitoetra aminao?
Moa azonao tokoa
Ny mazava mahasoa?

5. Voatolotra tokoa
Ny mazava ho anao,
Raha lavinao ny soa
Ka ny ratsy tianao,
Dia very foana
Ny fahasoavana,
Ary mbola raiki-trosa
Hianao ka ho tra-doza,

6. Tsy mba tianao ho very,
Ry Jesosy, izahay,
Ry sakaizanay mahery,
Manampia re anay,
Aoka hialoha anay
Hianao, Mpanavotray,
lzahay hiara-dia
Aminao ka tsy hania.

372 – Ry tany ô, ry tany ô

1. Ry tany ô, ry tany ô!
Ry tany ô, endre!
Ny Tompo masina sy to
Miantso mafy e!
Mifohaza ry mpanota,
Mivaloza faingana,
Mba afoizonao ny ota,
Raiso ny fiainana!

2. Manakatra ny lanitra
Ny haratsiana;
Jehovah dia vinitra,
Fa Izy masina.
Ry mpanota, mijanona
Amin’ny alehanao!
Miverena, manatòna
Ny Mpamonjy, Avotrao.

3. Jehovah dia masina,
Ka marina sy to,
Kanefa manamarina
Ny ta-hadio fo.
Miovà ka manenena,
Fa Andriamanitra
Manome ny famonjena
Noho ny Mpanavotra.

371 – Mankanesa,ry mpanota

Mankanesa,ry mpanota,
Ory, jamba sy mahantra;
Henoy Jeso miantso hoe:
Mankanesa aty amiko,
Feno antra manankery,
Sady tia mba hamonjy
Izay mino tsy ho very,
Hoy ny tenin’ ny Mpamonjy,
Raha miandry hihatsara
Hianao izay manota,
Dia tsy maintsy very anjara,
Lova tsy mety miova,
Tsy ny marina no anarina
Haka izay ody aina,
Fa ny meloka no antsoiny
Handray an’i Kristy hovonjeny,
Faingana, ry olom-bery,
Anio no andro famonjena,
Raiso Kristy ‘zay mahavonjy
Amin’ny fahaverezana.

370 – Mba henoy ny feon’i Jeso

1. Mba henoy ny feon’i Jeso,
Ry mpanota very ô!
Atsaharo re ny ota,
‘Zay mamery aina anao;
Jeso Tompo no miantso,
Aoka tsy ho lavinao;
Dieny mbola re ny antso,
Manatòna hianao.

2. ‘Zao no tenin’ny Mpamonjy
‘Zay lazainy aminao:
« Manatona Ahy, Vonjy
Sy Mpamela helokao;
lzaho, Tompo feno antra,
Hanome anao ny soa,
Ka ny helokao rehetra
Dia ho afako tokoa. »

3. « Izaho koa no vavahady
lzay hidiranao izao,
Sady Lalan-toratady
lzay mankao an-danitra ao;
lzaho dia Molon’aina
Sady Ranon’aina koa;
Tsy mba misy miala maina
lzay rehetra tia tokoa. »

4. « lndro, efa maty Aho
Hanavotako anao;
Moa tsy hatolotra Ahy
Ny fanahinao izao?
Ry mpanota! Mihevera,
Aoka izay ny ditranao,
Manatòna, manatòna
Ahy, Jeso Avotrao. »

399 – Ny sento ajanony, ry malahelo ô!

1. Ny sento ajanony,
Ry malahelo ô!
Ka aza misy intsony
Izay hamoy fo!
Fa indro ny Mpamonjy
Dia ao anilanao,
Ka tonga mba hamonjy
Sy hitondra anao.

2. Jesosy no nitory
Ny teny soa re,
Ny rera-po sy ory
Antsoiny mba handre;
Minoa fa ny ota
Dia voavelany,
Sakaizan’ny mpanota
No anarany.

3. Miposaka ny taona
Ankasitrahana,
Ka be ny voataona
Am-pitiavana.
Hevero, ry mahantra,
Izay anjaranao!
Jesosy be fiantra
No Mpamonjinao

398 – Iza no hiara-dia

1. Iza no hiara-dia
Ho ary an-danitra,
Ka hanaiky sy ho tia
An’Andriamanitra?
Ry mikatsaka ny To,
Atolorinao, ny fo;
Izao tontolo izao, ario,
Ka ny lanitra fidio.

2. Sao ho lany amin’ota
Ny anjara andronao,
Ka ny helo valin’ota
No hanjary lovanao;
Miovà re hatrizao,
Miverena hianao:
Tadiavonao tokoa
Ny Mpamonjy Tompo soa.

3. Mba avia, mianara
Izay fitondrantena vao
Mikeleza aina tsara,
Ka reseo ny nofonao,
Aza mba mamindra fo
Amin-dratsy ao am-po,
Fa ongoty avokoa
Izay misakana ny soa.

4. Tsy mba misy lalan-kafa
Hiakaranao, ho ao,
Koa andeha manahafa
Ny nataon’ny Tomponao.
Tsy mba mahavonjy anie
Ny fahaizan-dehibe;
Raha ny nofo no hajaina,
Dia ho very re ny aina.

5. Dia ny lanitra katsaho
Ho anjara lovanao;
Ny Mpamonjy angataho
Ho mpitarika anao,
Fa izay mpianany
Dia hotantanany,
Iza no hiara-dia?
Mitsangàna ka avia!

397 – Ry olona mbola tamana amin-dratsy

1. Ry olona mbola tamana amin-dratsy,
Hevero ny loza hihatra aminao,
Fa indro satana zay lohan’ny ratsy
Mandefa tsipika hamono anao,
Kanefa ny Tompo, Izay Zanahary,
No tonga hamonjy, fa tsy manary;
Avia, ry olo-mahantra, hihary
Ny tena harena tsy mety ho lo.

2. Jesosy mamoha anao, ry matory,
Fa Izy maniry hitarika anao.
Ilaozy ny ota, fa he, mampahory,
Henoy ny feo miantso anao!
Jereo ilay kintana, Izay tsy ho rava,
Fa indro ny aizina dia hisava,
Araho Jesosy, fa tena mazava
Izay hanazava tokoa anao.

3. Ny Tompo mamelona ny efa maty,
Ka aoka hitsangana re hianao!
Fadio tokoa izay mahafaty,
Katsaho indrindra ny aina vaovao!
Jesosy Mpamonjy no mba itafio,
Ka dia tandremo fa lamba madio!
Ry olo-mahantra, mba raiso anio
Jesosy, Izay mahavonjy anao.

4. Jesosy Mpamonjy mitondra ny teny
Izay hahavelona mandrakizay;
Ka dia henoy ny toky nomeny,
Ry olo-maniry ho amin’ny Ray!
Faingàna tokoa, ry efa mifoha
Fa indro ny lanitra efa mivoha,
Ka faly indrindra ny Tompo Tsitoha
Hitsena ny zanany velona indray.