TS 6 – Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao

(Salamo 119 – 41:56)
1. Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô,
Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho,
Satria matoky ny teninao.

2. Ary aza dia esorina amin’ny vavako ny teny marina;
Fa miandry ny fitsaranao aho.
Dia hitandrina ny làlanao mandrakariva aho,
Dia mandrakizay doria.

3. Ary handeha amin’ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.
Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho
Ka tsy ho menatra.

4. Ary hiravoravo amin’ny didinao aho
Satria tiako ireny.
Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny:
Hosaintsainiko ny didinao.

5. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao
Izay nampanantenanao ahy
Izao no mampiononona ahy amin’ny fahoriako;
Ny teninao no mamelona ahy.

6. Ny mpirehareha maniratsira ahy:
Tsy mba miala amin’ny lalànao aho.
Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô,
Dia mionona aho.

7. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy
Noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Ny didinao no ataoko an-kira
Ao amin’ny trano fivahiniako.

8. Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô,
Ka mitandrina ny lalànao.
Izao no ahy:
Mitandrina ny didinao aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 5 – Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko

(Salamo 103)
1. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina
Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko;
Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra

2. Izay mamela ny helokao rehetra,
Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

3. Izay mahavoky soa ny vavanao;
Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery
Jehovah manao fahamarinana
Sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina.

4. Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny lalan-kalehany Izy;
Ny Zanak’Isiraely nampahafantariny ny asany.
Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po.

5. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy,
Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy,
Na mamaly antsika araka ny helotsika.

6. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany
No haben’ny famindram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana
No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

7. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany
No fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy;
Fa Izy mahalala ny toetsika
Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

8. Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona;
Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
Satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa,
Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

9. Fa ny famindram-pon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra
Ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy
Ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka.
Dia amin’izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

10. Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra;
Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
Misaora an’i Jehovah, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra
Sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ny teniny.

11. Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra,
Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany;
Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

780 – He, dera, laza, hery

1. He, dera, laza, hery
Anao ry Jeso ô!
Ny zaza no hilaza
Ny voninahitrao.
Hianao Mpanjaka tia,
Hianao no Tomponay,
Izay tonga ho Mpamonjy
Sy ho Mpisolonay.

Fiv : He, dera, laza, hery,
Anao ry Jeso ô!
Ny zaza no hilaza
Ny voninahitrao.

2. Midera Anao, ry Jeso!
Anjely maro be,
Ka izahay an-tany
Ta-hankalaza Anao.
Toy izay nataon’ny zaza
Izay tao Jerosalema,
Nitondra ny rofia
Ho fanajana Anao.
He, dera, sns…

3. Raha mbola tsy nijaly
Hianao, ry Tompo ô!
Nidera Anao ny zaza,
Ka faly Hianao;
Koa mbola hoderaina
Hianao ankehitrio,
Ry Jeso Tompo tia!
Mandrakizay doria.
He, dera, sns…

779 – Jeso Kristy Tomponay, Jeso Kristy, Avotray

1. Jeso Kristy Tomponay!
Jeso Kristy, Avotray!
Avy mba hidera Anao
Izahay mpianatrao.

Fiv : :,:Mihainoa, ry Jeso Tompo
Fa ny fonay, fa ny fonay,
Entinay midera Anao:,:

2. Zazakely izahay,
Zava-bitsy fantatray,
Koa ny mahasoa anay
Dia ankinina aminao.
Mihainoa, sns…

3. Mamindrà fo aminay,
Mamelà ny helokay,
Mba hiraisana aminao,
Fa izay no maminao.
Mihainoa, sns…

4. Mba tahionao izahay,
Ary koa ny havanay
Atsangano ho Anao,
Fa izay no sitrakao.
Mihainoa, sns…

778 – Vory izahay izao

1. Vory izahay izao
Eto anatrehanao.
Ry Jeso Tomponay!

Fiv : He! Faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He! Faly ny fonay,
Avy mba hidera, anao.

2. Saotra tsara entinay,
Dera koa atolotray
Anao, ry Tompo ô!
He! Faly, sns…

3. Zazakely izahay,
Fohy ny fisainanay,
Tarihonao izao:
He! Faly, sns…

4. Ela no nasianao
Soa ny mpanomponao
Ry Tompo be fitia!
He! Faly, sns…

5. Ao ny ray sy reninay,
Ary koa ny havanay
Ataovy olonao:
He! Faly, sns…

6. Zaza, ray sy reny koa
Dia hihaona avokoa
An-danitrao ary:
He! Faly, sns…

777 – He, zaza marobe tokoa

1. He, zaza marobe tokoa
Ary an-danitra,
Mifaly amin’i Jeso,
Finaritra avokoa:

Fiv : He, mihoby mafy izy,
Ka midera an’i Jeso.

2. Moa nentin’iza izy ireo
Ho ao an-danitra ao
No miramirana endrika
Sy faly toy izao?
He! Mihoby, sns…

3. Jesosy Tompo no nandao
Ny lapa fahizay
Ka nahatonga azy ireo
Ho aminy ary:
He! Mihoby, sns…

4. Ny lambany novàny soa,
Dia lamba tena vao,
Ny fony nosasany koa,
Ka faly izy izao:
He! Mihoby, sns…
Amena.

776 – Mba ekeo, ry Jeso Tompo izahay madinikao

1. Mba ekeo, ry Jeso Tompo,
Izahay madinikao
Fa maniry te hanompo
Sy hanao ny sitrakao;
Tsy mba zaza no terena
Na nomena zava-tsoa
Fa minia manolo-tena
Ho Anao tokoa tokoa.

2. Tsy ny manan-kery ihany,
Na ny lalin-tsaina koa,
No mahazo miandàny
Aminao, Mpamonjy soa;
Fa ny mbola zaza osa,
Ka malemy toa anay,
Izay mba te-hidodododo
Homba Anao, Mpanjakanay

3. Maminay ny fanompoana
Izay natolotrao anay,
Ka hataonay sasa-poana
Izay mamily dia anay.
Fa ny hany mba ilaina,
Dia ny fanohananao;
Mba ho azonay vitaina
Izay rehetra sitrakao.

4. Enga anie ny faniriana,
Izay anananay izao,
Ka harahim-pitahiana
Sy hotanterahinao.
Dia ho feno fifaliana
Ny fanahy anatinay,
Ka tsy hisy hakiviana
Hanan-kery aminay.

775 – Ry Jesosy Tomponay, mamindrà fo aminay

1. Ry Jesosy Tomponay!
Mamindrà fo aminay;
Be ny hasoavanao,
Be ny fitiavanao:

Fiv : Zazakely izahay,
Mamindrà fo aminay.

2. Fony teto aminay
Hianao Sakaizanay,
Tia zaza Hianao,
Zaza notrotroinao
Zazakely, sns…

3. Masina sy marina
Hianao, ry Tomponay!
Hamasino izahay;
Mba ho zanakao tokoa;
Zazakely, sns…

4. Be ny fahavalonay,
O! Arovy izahay;
Manomeza fo madio,
Fo miankina aminao;
Zazakely, sns…

5. Ary raha tapitra
Ny iainanay aty,
Ento ny fanahinay
Honina ao an-danitrao;
Zazakely, sns…

774 – Fony Jeso nivahiny

1. Fony Jeso nivahiny,
Nisy zazakely koa
Tonga tao, ka notahiny
Sy noraisiny tokoa:

Fiv : He, rankizy! He, rankizy!
Ny fitiavan-dehibe.:,:

2. Manatòna izao, rankizy!
An’i Jeso Tompo soa,
Fa mandray ny zaza Izy
Ka mitahy azy koa:
He, rankizy! sns…

3. Maro be ny zaza faly
Ao an-dapan-dRainy ao,
Afaka ota, afa-jaly,
Sambatra izay tonga ao;
He, rankizy! sns…

4. Mihobia izao, rankizy!
Fa isika koa hankao;
Eny, mifalia, fa Izy
Ho Sakaizantsika ao:
He, rankizy! sns…

773 – Hianao, ry Jehovah, no Rainay tokoa

1. Hianao, ry Jehovah, no Rainay tokoa,
Ka manatona Anao izahay,
Ary Jeso no Hava-malalanay koa
Dia matoky Anao, ny fonay.
Mivoria, ry ondry madinika ô!
Mba ho ao, am-pisoko anio.
Mihainoa ny feon’ny Mpiandry izao,
O! faingàna, modia hianao.

2. Eny, mamy tokoa ny mihaino Anao,
Ry Mpamonjy Mpanavotra anay!
Fa Sakaiza malala tokoa Hianao,
Te-hihaino Anao izahay.
O! andeha, rankizy madinika e!
Fa miantso Jesosy ery.
Mahafaly antsika ny teniny hoe:
« Avelao, izy mba hankaty. »

3. O! ry Tompo tsy toha! Tsinjovy izahay,
Fa masiaka ny lion-dozabe,
Ka manenjika mba hahafaty anay
Sy mihaza ny ain-dehibe.
Mitsangàna, ry zaza madinika ô!
Mandosira ny loza ety,
Manatàna an’i Jeso Mpamonjy izao,
Ka modia ho an-danitra ary.