386 – He, Jesosy Tompo soa

1. He, Jesosy Tompo soa
No miantso mafy hoe:
« Manatàna avokoa
Ry mpanota marobe!
Fa izay manatona Ahy
Tsy mba horoahiko;
Aza manana ahiahy,
Raisonao ny teniko ».

2. Aza mba misalasala
Ka mihevitra hoe:
Sao ny Tompo tsy hamela
Ahy efa diso be.
Tsia, tsia, ry mpanota,
Matokia marina,
Anenenonao ny ota,
Jeso hanamarina.

3. He, ny rany saro-bidy
No mahafa-keloka
Ny mpanota voavidy
Ka miaiky heloka.
Eny, afaka ny revo
Noho ny Mpanavotra,
Ny devoly manandevo
Efa resy lahatra.

4. Ny Mpamonjy mampifidy,
Tsy manao an-keriny,
Ka antsika ny hifidy
Sy handray ny teniny.
Koa raha misy very,
Dia tsy avy aminy;
Ny manao ny mahavery
Dia tsy mba maminy.

361 – Manatona, ry malala!

1. Manatona, ry malala!
An’i Jeso Tomponao;
Raiso re ny famonjena,
:,:Tsy ho faty hianao.:,:

2. Indro jeso, fa miandry
Mba handray anao izao;
Miverena, aza kivy,
:,: Mazotoa, sy matokia.:,:

3. Aza mba mangataka andro,
Sao, dia tratra hariva ety;
Tahotra sy horohoro
:,: Hampivadi-po anao.:,:

4. Ao ny tany soa homeny
Mampifaly fo ery;
Sady tsy mba misy ratsy,
:,: Mandrosoa ho tonga ary.:,:

385 – Ny Mpamonjy be fitia

1. Ny Mpamonjy be fitia
No miantso hoe: Avia!
Ry mahantra, raiso izao,
Famonjena ho anao.

2. Hoy ny Tompo: Ry mpanota,
Manatona, fa ny ota
Voavela, anaka,
Afaka ny heloka.

3. Teny mamy, re, izany,
Faly ireo mitomany,
Ka araho hatrizao,
Dia ho sambatra hianao.

4. Ry Jesosy, Izay Mpiantra,
Izaho ory sy mahantra,
Ka ampio aho izao,
Fa Mpamonjy Hianao!

5. Efa azoko ny teny
Ka hazoniko ireny;
Hianao, Jesosy ô,
Ampy hiankinako.

384 – Ry olom-bery, tsy ho very foana ny andronao

1. Ry olom-bery, tsy ho very
Foana ny andronao,
Raha mby an-tsainao,
Fa ny ainao, tsy fanananao.
Ny hery misy, nefa indrisy,
Resim-pahalainana!
Aty an-tany, mora lany
Ny fiainana.
Mba mazotoa, ry havako,
Ka aoka hoheverinao
Ny andro lasa, sao ny asa
Tsy ho vitanao.

2. Ka manenena, miambena,
Mivavaha hianao!
Efao ny ady, ao ny kiady
Voninahitrao.
Mba ahitsio ankehitrio
Ny dia sisa hatrizao,
Fa be ny simban’ny mpanimba
Ka migadra izao.
Sakaiza ô, fantaronao,
Fa nijalian’ny Tomponao
Ny fahotàna tsy ialàna,
Ilalaovanao.

3. Dia mba ampio sy tahio
Izahay, ry Tomponay,
Fa mba hiady ka hitady
Vonjy ho anay.
Homenao soa ny manoa
Amin’ny fotoanao.
O, ry Mpanjaka, avia haka
Ny malalanao.
Ny olonao dia tà-hankao
An-danitra fonenanao.
Ry Jeso tia, mba avia
Faingàna izao!

383 – O, ry mpanota aza mandà

1. O, ry mpanota aza mandà,
Jeso miantso ka miovà !
Mba manatona Azy izao
Izy hamonjy anao !

Fiv : He, mivoha izao ny lanitra,
Ry mpirenireny lavitra ;
Indro Jesosy, Izy no ao,
Aiza no hisy anao ?

2. Be ahiahy va hianao
No tsy mandroso faingana izao ?
Dia tapaho ny hevitrao
Ka miovà hatrizao !
Fiv : He, mivoha sns…

3. Mba miverena re hatrizao
Ka hararaoty ny andronao ;
Fa ny aty ho simba sy ho lao,
Ka mba modia izao !
Fin : He, mivoha sns…

382 – Ry olo-matory ô, mba mifohaza

1. Ry olo-matory ô! Mba mifohaza,
Fa indro Kristy
Ilay Fahazavana Izay tena malaza,
Dia tonga aty,
Ka aza matory
Fa mba atolory
Ny fonao izao,
Mba hanazavany anao.

2. Aty dia matevina sady mahana
Ny zavona be;
Ny sento, taraina sy fitomaniana
Dia misy anie,
Ry olo-mahantra,
Jereo ny Mpiantra,
Henoinao izao:
Jesosy nanavotra anao!

3. Aty dia mangetana sady be ady,
Ka maro no voa;
Tsy tambo isaina ireo mitady
Fiadanana am-po.
Dia aza tomany,
Fa eto ihany
Ilay manome
Ny fahasoavany be!

4. O, miandrandrà ka jereo ao ambony,
Fa atoandro izao,
Falia toa zaza, tahafo ny fony,
Ny Tompo derao,
Na misy ny onja
Sy ota mandoza,
Dia mbola derao
Jehovah Mpiaro anao!

5. O, mendrika hankalazaina Jehovah
Izay manome
Ny làlana sy fahamarinana koa
Sy fiainana be.
Tsilovy, ry Kristy,
Ny làla-mahitsy
Izorako izao,
Tantano re ny zanakao!

381 – He ny fiantsoana

1. He, ny fiantsoana
Feno fitiavana,
Teny masina sy to,
Ho anao, ry ory fo.

2. Hoy Jesosy Tomponao
 » Manatona Ahy re, »
« Ry miasa fatratra »
« Sy mivesatra entana! »

3. « Fa Izaho hanome »
« Fitsaharan-dehibe »
« Sy fiainana vaovao »
« Hahasambatra anao ».

4. Ry Mpamonjy tsara ô!
Saotra no atolotro;
Ka ampio aho izao,
Fa manaiky ho Anao.

675 – Indreo ao an-danitra ny olo-marobe

1. Indreo ao an-danitra ny olo-marobe,
Mitsangana manatrika ny Zanak’ondry re!
Akanjo fotsy lava no anaovany,
Ka sampam-palma fandresena eo an-tanany.

2. Ka iza moa ireo, ary avy taiza re?
Ireny dia avy tamim-pahoriam-be,
Nanasa sy namotsy ny akanjony
Tao amin-dran’ny Zanakondry, izay Mpanavony.

3. Ny tia ny maloto tsy ho ao, andanitra,
Fa marina ny tonga any, sady sambatra
Mihira fiderana sy fisaorana
No zavatra ataony amimpifaliana.

4. Endrey, maniry mafy aho mba ho isany,
Hiaraka hihoby sy hifaly aminy;
Anefa an’ny Tompo ny fotoana,
Ka dia Izy no manendry ny hodiana.

239 – Ry Jeso! Vory izahay

1. Ry Jeso! Vory izahay,
Fa andronao anio.
Dia avy mba hivavaka
Aty an-tranonao.

2. Ka na aiza no aiza ny olonao
No vory toy izao,
Ny herinao mba asehoy,
Efao ny teninao.

3. Ny hira ikambananay
Aty an-tranonao,
Ekeo ho fanandratana
Ny voninahitrao.

4. Ny vavaka tononinay
Eo anatrehanao,
Mba raiso ho fanatitra
Ankasitrahanao.

5. Ny teny fitarainana
Ataon’ny ory koa
Soloy fifaliana;
Hisaoranay Anao.

6.Ny teninao halahatra
Hambininao anie,
Hamelom-pitiavana
Am-pon’izay mandre.

674 – Ry mpivahiny reraka sy hana

1. Ry mpivahiny reraka sy ana!
Herezonao ny dia, fa iry
Ny lapa soan’ny fanantenana,
Ka aza mba mamoy fo ety,
Fa vetivety hianao no eto,
Dia tapitra ny alahelonao,
Ka dia mba ononinao ny sento
:,:Fa mihafohy ny alehanao.:,:

2. Jesosy no mpitsinjo mpivahiny,
Ka Izy dia ta-handray anao;
Ny fony dia toy ny fahiny
Ka vonona hitantana anao.
Ka miezaha hanatratra eny,
Antsoiny hianao izao, hoe:
Minoa Ahy araka ny teny,
:,: Ny tranon-dRaiko dia lehibe:,:

3. Mangoraka anao izao ny fony!
Ny tena aman-drany vatsinao.
Ka aza mba mihemotra intsony,
Fa ampy ho anao Jesosinao.
Ka raiso ny finoana ho ampinga,
Ny teny masina ho sabatra,
Ny fahamarinana mba hahakinga,
:,: Ny fitiavana hanandratra.:,: