673 – Hevero ny fihaonam-be

1. Hevero ny fihaonam-be
Ary an-danitra;
Vahoaka izany re!
:,:He, samy sambatra.:,:

2. Ho vory ao ny iraky
Ny Tompom-bokatra,
Mitondra amboarany
:,:Am-pihobiana.:,:

3. Ny isam-pirenena atÿ
Dia samy misy ao,
Ny teny izay ninoany
:,:Tanteraka izao.:,:

4. Ny feon’ny fisaorany
Ho toy ny riana,
Ny hira iray iraisany,
:,: Ka samy mirana.:,:

5. Ny lanitry ny lanitra
Dia feno hobiny,
Ny Zanak’ondry masina
:,: No ao anivony.:,:

6. Ry Ray be fitiavana,
Izahay mba taominao,
Mba samy ho tafangona
:,:Ao anatrehanao.:,:

238 – Mivory eto izahay

1. Mivory eto izahay
Hiantso ny Anaranao;
Jehovah Masina ô!
Dia manomeza anay anio
Ny soa avy aminao,
Ho fitahiana.

2. Ny vavaka tononinay
Miakatra any aminao,
Mpamonjy tia anay!
Mba raiso ao an-danitra
Ho zava-mani-pofona
Izay ho tianao.

3. Ny saotra izay aterinay
Mba raisonao, Jehovah ô,
Andriamanitray!
Ny vokatry ny molotray
Dia aoka ho fanatitra
Ankasitrahanao.

4. Ankehitriny, Tompo ô!
Omeo ny Fanahinao
Hitoetra aminay,
Ho fanalana aizina,
Sy fanoloran-kevitra
Ho an’ny olonao.

672 – O, mamiratra fatratra ery

1. O, mamiratra fatratra ery,
Irony kintana tazana ety,
Ka manainga ny foko hankao
Amin-tranon’ny Raiko izao.

Fiv : Raiko ô, mba vohay
Aho hiditra ao, aminao,
Raiko ô! Mba vohay
Fa iriko, ny honina ao.

2. Feno ota ny tant’ aty;
Tsy mba misy izany ary,
Tena masina ireo mponina ao.
Ka mifaly mijery Anao,
Raiko ô, mba vohay, sns…

3. O, fonenana mamiko re!
Fa jesosy nirina elabe,
Sady aina iainako izao,
No miandry handray ahy ao.
Raiko ô, mba vohay, sns…

4. Mba tsilovy ny làlako izao,
Ry Fanahy Mpitarika ô,
Hahitako ny tranon’ny Ray
Hovantaniko rahatrizay.
Raiko ô, mba vohay, sns…

671 – Ao an-danitra dia ho sambatra

1. Ao an-danitra
Dia ho sambatra
Izay tia ny Tompo aty!
Malahelo izao,
Ravoravo re ao
Amin-dRaintsika an-danitra ary.

2. Fahoriana
Ao an-dàlana,
Fa iharan’ny zava-manjo;
Ao an-danitra re,
Fiadanana be;
Mba hevero, ry havana ô!

3. Aza kivy ô,
Ry fanahiko,
Na dia maizina aza aty;
Vetivety izao
Dia hody hianao
Ao am-pahazavana ary.

4. Ry Mpanavotray,
Indreto izahay
Mpivahiny an-dàlana izao;
Tsy tamana aty,
Te-hifindra ary
Ao an-danitra ao aminao.

670 – Ny ony tsy miato, fa mitady

1. Ny ony tsy miato, fa mitady
Ny ranomasina ihaviany.
Ka toy izany koa ny fanahy
Mitady ny Andriamaniny
Andriananahary
No Tompoko nahary
Ny faniriako,
Izay mitady Azy, ka manary
Izay misakana ny diako.

2. lzay midongy sy mirehareha
Tsy hahatratra ny Edenany;
Lomorina ny rano tsy mandeha,
Ka simba ao am-pijanonany;
Ka toy izany koa:
Ho simba avokoa
Izay mijanona,
Ka tsy manatona ny Tomposoa,
Izay mitahy sy mamelona.

3. Tsy misy zavatra aty an-tany
Mahafa-po ny faniriako;
Vahiny aho eto ka mankany
An-danitra izay fodiako.
Ny Tompoko malala
Ho avy hampiala
Ny olony aty;
Izaho dia tsy misalasala
Hanaraka ny Tompo ho ary!

236 – Avia, Tomponay! Atrehonao ‘zahay

1. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Fiderana no atolotray
Ho Anao, ry Tomponay;
Tongava aty an-tranonay
Handray ny dera atolotray:
Avia, Tomponay!

2. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Enga ka ho tonga olonao
Zao ‘zahay rehetra izao,
Ny vavanay hidera Anao,
Ny fonay mba diovinao;
Avia, Tomponay!

3. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Ampidino ny Fanahinao
Ho àty an-tranonay;
Ampionao koa ny olonao,
Hilaza anio ny teninao:
Avia, Tomponay!

4. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Fiderana no atolotray
Ho Anao, ry Avotray! ray!
Mba raisonao, ny deranay,
Efao, tokoa ny hatakay:
Avia, Tomponay!

669 – He, tazako ny laln-tery,

1. He, tazako ny lalan-tery,
Izay misy fahoriam-be,
Kanefa feno hira re,
Fa na miady, tsy ho very.
Ny mino izay mizotra eo,
Na misy maty aza eo,
Hahazo ny lakrona.

2. He, tazako Sakaiza mora,
Mpanala fahoriam-be,
Mpiaro soa, Mpanome
Ny toky tsara isan’ora;
Sakaiza feno herim-po,
Mamonjy amin’ny manjo;
Sakaiza tsy manova.

3. He, tazako ny lamba soa
Omena ny voavotra
Ho fanesoran-keloka
Sy fanavaozana azy koa;
Fa Jeso efa nanome
Ny rany saro-bidy re,
Ho fanadiovana azy.

4. He, tazako ny andro ho avy,
Izay hialako sasatra,
Ka ny ririnin’efitra
Hanjary lohataona mamy;
Ka any vao hivelatra
Ny vonindraozin-danitra
Ao amin’ny Edena.

5. He, tazako ny voavonjy
Ao amin’ny Mpampakatra,
Dia ao an-tampon-danitra,
Izay niakaran’ny Mpamonjy;
Miravoravo izy ao,
Mihira fideram-baovao
Ho an’ny Zanak’ondry.

235 – Tafavory izahay

1. Tafavory izahay
Eto anatrehanao,
Ry jehovah Tomponay
Mba hivavaka aminao.

2. Te-hianatra izahay
Mba hanao ny sitrakao;
Mihainoa ny vavakay,
Manampia anay izao.

3. Fa mangataka aminao
Fanampiana izahay;
Raha tsy ampianao,
Dia ho diso izahay.

4. ‘Zay rehetra anananay
Entinay midera Anao,
Aoka hazoto izahay
Mba hanao ny sitrakao.

5. Aoka handroso izahay
Mba hanompo tsara Anao
Dia hifaly izahay
Amin’ny fitianao.