FF 18 – Afafazo

1. Raha tonga ny andro izay
Itsarana anao
Amin’izay fotoana izay
Adinina ianao
Ka hiatrika
Ilay Mpanjakanao
Efa vonona ve ianao ?(Ary koa)
Efa ampy ve
‘Zay anananao
Hiatrehanao ny Tomponao

Fiv : Fihatsarambelatsihy
Aok’izay dieny ety
Fahafaham-baraka ho anao
Ka ialao
Raha toa tianao
Ho voavonjy ianao
Afafazo ‘zay voa mendrika (Mendrika)

2. Raha tonga ny andro izay
Itsarana anao
Amin’izay fotoana izay
Adinina ianao
Efa ampy ve
‘Zay nafafinao
Mba ho voa mendrika tokoa ?(Ary koa)
Efa tontosa ve
Ny anjaranao
Tsy hahameloka anao rahatrizay
Fihatsarambelatsihy, sns…

3. Raha ho avy ny fotoana
Hodianao
Amim-boninahitra
Ho ao an-tranon-dRay
Tsy hatahotra
Na hangovitra
lanao, raha madio fo (Ary koa)
Satroboninahitra
Tsy mba Io
No an’ny mpanompo mahasoa
Fihatsarambelatsihy, sns…

FF 17 – Ho avy ny maraina

1. 0 ry Tompo be fitia
He isaoranay lanao
Fa manaiky hiara-dia
Aminay mpanomponao
‘Zay miasa hanasoa
Olo-maro mpiara-miaina
Manantena vokatsoa
Amin’ny asa izay efaina

Fiv : He! talenta samihafa
No nomenao hampiasaina
Raha ireo no miara-miasa
Dia ho avy ny maraina
Ka ho maro sesehena
No hahazo tombontsoa
Hampandroso firenena
‘Zay kinasanay ho to.

2. Taona maro izay ry Ray
No nodiavina hatrizao
Niara-nilofosanay
Mba hanao ny asanao
Nefs tsapanay tokoa
Vitsy no mba vita tsars
Ka tafio ny herim-po
Hahavita izay anjara
He! talenta samihafa, sns…

FF 16 – Tsy vitam-po onena

1. Tsy vitam-po onena
Tsy vitan-dranomaso
Ny Asam-pamonjena
Tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena
Mila fandavan-tena
Sy hery tsy mba maty
Herim-po, herin-tsaina koa

Fiv : Na onena ny fonao
Na tomany ny maso
Tsy izany no ilaina
Fa fifankatiavana

2. Ny mpianatry ny Tompo
Asainy mifanompo
Na mamy na mangidy
Miara-dia , f’izany no Didy
Mamonjy ny mahantra
Manarina ny lavo
Mitsabo ny maratra
Ary koa tsy mba miavom-po
Na onena ny fonao, sns…

FF 15 – Raiko ô !

1. Tompo Malala Tsitoha, inty aho
Izao vao nandre ilay feo niantso ahy
Tsapako anatiko ao ny herinao
Mitaona ahy mba hiverina Aminao.
Raiko ô ! Raiko ô ! Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo zanakao
Fa izaho ‘zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Ray ô!

2. Jesosy Zokiko ô ! Raiso aho
Ho isan’ireo zandrinao tianao
Neniko ireny taloha fa hiova aho
Raiso aho ! Raiso aho Jeso ho Anao.
Tompo ô! Tompo ô! Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo zandrinao
Fa izaho ‘zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Jeso!

FF 14 – Jesoa, apetraka Aminao

1. Jesoa, apetrako Aminao
Ny fanahiako rehetra
Ny asa vita hatrizao
Anao tokoa tsy misy fetra
Jesoa, apetraka Aminao

2. Jesoa, apetrako Aminao
Ny asa fikelezan’aina
Tsy misy miafina Aminao
Ny hetaheta tsy hay lazaina
Jesoa, apetraka Aminao

3. Jesoa, apetrako Aminao
Ny toky sy fanantenana
Ny sitrakao no aoka hatao
Na aiza lalana ombana
Jesoa, apetraka aminao

FF 13 – Mihirà fihiram-baovao

Mihirà fihiram-baovao
Ho an’i Jehovah, ry tany
Mihirà fihirana
Ho an’i Jehovah
Dia ambarao amin’ny jentilisa
Ny Voninahiny.

Mihirà fihirana
Fihiram-baovao
Mihirà fihirana
Ho an’ i Jehovah, ry Tany
Dia ambarao amin’ny Jentilisa
Ny Voninahiny
Ambarao amin’ny Jentilisa
Fa Jehovah no mendrika.
Izy no mendrika ny Fiderana

FF 9 – Isaorana anie Jehovah

Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra anie
Andriamanitry ny Israely
Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra
Izy irery ihany no nanao fahagagana
Isaorana, mandrakizay
ny anarany Malaza
Ary aoka ny tany rehetra,
Ho henika ny famirapiratry
Ny voninahitr’i Jehovah Ray Tsitoha
Amen!

FF 6 – Ny teninao

1. Ny teninao, Jehovah Ray mahery,
Izay nomenao anay,
Dia teny tsara sady mampahery
Ka mampifaly ny fonay !

Fiv : Ny teninao,
Mofon’aina sakafo tokoa !
Ny teninao,
Ranon’aina satria foto-tsoa
Ny teninao no teny tsy mba maty
Maharitra mandrakizay !

2. Soraty re ho velona ao anaty
Hitondra aina vaovao,
Hitana ny finoana tsy ho faty,
Ka hankatò ny didinao !

FF 5 – Izaho no fananganana ny maty

1. Hoy Jesosy Tompo ‘zaho no fananganana
Fananganana ny maty sy fiainana
‘Zay rehetra mino Ahy na dia maty aza
Dia ho velon’indray, ho velon’indray, ho velon’indray
Satria velona Aho, Ho velona hianareo
Aza matahotra fa (ho velon’indray)3

2. Maharavo fo ny teniny henoy indray koa
‘Zay rehetra velona ka mino Ahy tokoa
Dia tsy ho faty mandrakizay hatsangako
Ka ho velon’indray, ho velon’indray, ho velon’indray
Satria velona Aho, ho velona hianareo
Aza matahotra fa (ho velon’indray)3

3. 0 ! Jesosy Tompoko indro re ampitomboy
Ny finoako Anao, ny herinao asehoy
Tompo iantrao ny foko tsy finoako vonoy
Mba ho velon’indray, ho velon’indray, ho velon’indray
Mino Anao tokoa ny foko Jesosiko
Feno toky aho, fa (ho velon’indray)3

FF 20 – Jesoa Fitiavana

Efa trotraky ny adin-tsaina
Vao mba mahatsiaro anao ry Tompo
Menatra aho tsy sahy mitaraina
Ry Jesoa Fitiavana

Kanjo tambitamby, safosafo
No nasetrinao ny ditrako
Eny tsapako fa novidiana lafo
Tamin’ ny Ranao ny tenako

Jesoa Malalako! tafio ny herinao
Hahaizako mandresy ny fakam-panahy
He, tsinontsinona izao tontolo izao
Fa fanimbana tena, saina sy fanahy

Ho reharehako ilay tanambokovoko
Hihamina eo anilanao anie ny foko
Fa eo anilanao tsy misy ny toloko
Eo no mahatsara ahy, Jesoa