1.Ry Jeso, ny fitiavanao
No ifalianay,
Fa voavono Ianao
Hisolo voina anay !
Fiv : Mba raisonao re
Ny saotra aterinay izao,
Ho fanajana
Anao Mpamonjy tia !
2.Mahery ny fitiavanao
Ka itokianay ;
Izay mikambana Aminao
Dia tsy hangahiahy
Mba raisonao, sns…
3.Ambony ny fitiavanao
Ka tsy mba takatray !
Kanefa noho ny herinao
Hiezaka izahay
Mba raisonao, sns…
4.Hiezaka izahay, Jeso,
Ka mba ho tia Anao,
Ka tsy hatahotra eso koa
Noho ny Aminao !
Mba raisonao, sns…