141 – Efa resy izao na dia ny fasana aza

1. Efa resy izao
na dia ny fasana aza,
Ka asandrato re
ny hira sy ny feo,
Jesosy nampikoy
Lay rafy ‘zay nandoza,
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

2. Lasa ilay tahotrao,
ry foko ‘zay malemy,
Fa torotoro ‘zao
ny fahavalonao,
Tsy nahatohitra
ny sandrin’i Jesosy;
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

3. Efa lasa tokoa
ny ozona rehetra,
Nasehon’i Jeso,
miharihary izao,
Ny fitiavany
izay tsy misy fetra.
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

4. Kristy no santatra:
ny lalana mankany
Ho ao an-tranon-dRay,
mivoha tsara izao.
Ny fifaliana
manerana ny tany.
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

5. Kristy no fiainana:
izay matahotra Azy
Omeny tanjaka,
fanahy, fo vaovao.
Ka ataony velona,
mpandresy tahaka Azy,
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?