144 – O! Avia mba hidera

1. O! avia, mba hidera,
Andro Jobily anio;
Ka faingàna, manatera,
Saotra, laza, ka hobio.
Indro tonga ny anjely,
Ka ny vato mikodia,
Tantaraina mba hiely
Velona (in-3) ny Tomponao.

2. Ifalio ny famonjena,
Andro Jobily anio;
Afaka ny firenena,
Voavonjy androtr’io.
Gaga teo ny mpanakora
Sy ny rafy marobe,
Ka miaiky moramora:
Velona (in-3) ny Tomponao.

3. Mba venteso re ny hira,
Andro Jobily anio;
Resy ny mpaniratsira,
Ka ny tahotrao ario.
He! Ny fasana efa foana,
Tsy nahazona Azy tao,
Tsy naharitra hateloana:
Velona (in-3) ny Tomponao.

4. Efa resy ‘zao Satana,
Andro Jobily anio;
Ny fatoranao vahana,
Ka hobio sy ifalio!
Lay Mparnonjy nolatsaina,
Velona ho avotrao,
Io no mendrika hoderaina:
Velona (in-3) ny Tomponao.