1. Avia, Fanahy Masino ô!
Midina eto aminay;
Fenoy ny hasoavanao
Ny fonay noforoninao.
2. Tongava, ry Mpananatro ô
Nomen’Andriamanitra
Ho loharano velona
Hiboiboika ao am-po.
3. Sokafy ny fanahinay
Hidiram-pitiavana;
Ny tenanay malemy koa
Ampaherezonao anie.
4. Reseo ny fahavalonay
Onòny koa ny tahotray.
Tantano ao an-dalana
Hahatraranay ny lanitra.
5. Tahio mba hitiavanay
Ny Ray sy Jeso Zanany,
Sy hitokianay Anao
Izay Fanahy Masina.