1. Ny Fanahy Masina efa
tonga tokoa.
Mba homba ny mpitory
ny Teny mahasoa.
Koa mitsangana izao
andeha ry mahery fo
Hatramin’ny faran’ny tany
torio ny Teny soa.
2. Voasaron’ny aizim-pito
Ny Nosinao;
Ny ody sy ny sampy no
Notompoiny tao;
Ny fahazarana koa,
Nangeja mafy tokoa,
Kanefa tonga ny mazava:
Resy ny aizina ao.
3. Ry fanahy voatafy hery
Ny Tompo anie
Ka efa miandry anao,
Injay miteny hoe:
« Angony, eny antsoy,
Hanatona avokoa
Ny firenena eran-tany
Ho mpianatro tokoa ».
4. Tompo tia ô,
Ekeko ny antsonao;
Hafoiko ny hareko,
Ny tenako izao,
Ho vavolombelona,
Hijoro, hanafika,
Hitory sy hamafy koa:
Tafio ny herinao.