354 – Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao

1. Ny Mpamonjy no mitady
Fihavanana aminao,
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao ;
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao,
Ka ny mety mihavana
Amin’ny Mpamonjy izao !

2. Dieny misy hafanana
Ka mangoraka ny fo,
Manatòna ny Mpamonjy
Sao dia mangatsiaka indray !
lzao no andro famonjena,
Ka vonjeo sao neninao ;
Ry mpanota, miverena
Izao ankehitriny izao !

3. Sao ity no toriteny
Fara-fanasana anao ;
Sao anio no fotoana
Fara-ahavelomanao !
K’aza mba misalasala
Sao manjary neninao
Raha tsy mety mahalala
Izao fotoana mety izao !

4. Indrisy be ny fahotako,
Be ny ratsy vitako !
Sao tsy raisin’ny Mpamonjy
Ny mpanota tahaka izao ?
Miverena fa ny rany
Ampy hahadio anao !
Manatòna hosasany
lzao ankehitriny izao !