1. Tsy mba hisy tonga ary an-danitra,
Raha tsy mandrombaka tokoa;
Ny mpiady tsara izay maharitra
No handray anjara lovasoa.
Ety ary tery ny vavahady ao,
Kely sy mideza ny lalana mankao;
Nefa aza kivy, ry havako izao,
Fa izay malaina dia ho very.
2. Maro no mitady hisakana anao,
Koa mba tohero, ry sakaiza;
Mba reseo mafy ny fahavalonao,
Fetsy izy ireo ka mahaiza.
lzay rehetra mamin’izao tontolo izao
Dia avelao fa mamandrika anao;
Aoka mba Jesosy no hifalianao:
Eny, hifalianao tokoa,
3. Satroboninahitra tsy ho azonao
Raha tsy katsahinao tokoa;
Fa hevero kosa ny fifalianao,
Raha tonga ao an-dapa soa,
Fa hahita maso ny Tompo hianao,
Ka hifaly amin’Andriamanitrao,
Koa miomàna re, ry sakaiza ô!
Mba ho faly ao am-pitsarana,
4. He, ny tany soa tsy mba ho hitanao,
Marina tokoa anie izany;
Ka ny ao an-danitra tsy ho azonao.
Raha fatra-pankafy ny tany;
Raha tsy matoky ny Tompo hianao
Dia helo afo no ho anjaranao.
Koa miverena, fa ny Mpanavotrao
Vonona handray anao mihitsy.
5. Dia miangavy, mangataka aminao;
Mba modia, ry mpirenireny!
Fa ny Tomponao ta-handray anao izao
Hianao tsy sitrany ho very.
Izy dia mananty ny tanany izao,
Ka ny fonao simba mba atolorinao
Hosoloan’i Jeso fo tsara sy vaovao:
lzany mba hevero, ry sakaiza!