1. Ry Jeso! Vory izahay,
Fa andronao anio.
Dia avy mba hivavaka
Aty an-tranonao.
2. Ka na aiza no aiza ny olonao
No vory toy izao,
Ny herinao mba asehoy,
Efao ny teninao.
3. Ny hira ikambananay
Aty an-tranonao,
Ekeo ho fanandratana
Ny voninahitrao.
4. Ny vavaka tononinay
Eo anatrehanao,
Mba raiso ho fanatitra
Ankasitrahanao.
5. Ny teny fitarainana
Ataon’ny ory koa
Soloy fifaliana;
Hisaoranay Anao.
6.Ny teninao halahatra
Hambininao anie,
Hamelom-pitiavana
Am-pon’izay mandre.