248 – Nitondra ny zaza ny reny

1. Nitondra ny zaza ny reny tao Salema,
Mba hotahin’i Jeso Kristy be indrafo;
Nolavin’ny mpianatra izy,
Nefa hoy Jesosy hoe:
« Avelao ny zaza hanatona izao »

2. Fa Ahy ny zaza ka tiako indrindra,
Mpiandry zanak’ondry Aho, ka aza mandà;
Fa raha manatona Ahy izy,
Hotahiko tsara e:
« Avelao ny zaza hanatona izao »

3. Endrey, mahagaga ny fiantran’i Kristy,
Fa indro, zazakely aza asiany soa;
Avia, manatòna Ilay Mpiandry
Zanak’ondry, ka
« Avelao ny zaza hanatona izao »

4. Ry Jesosy Tompo!
Mampanatòna Anao re
Ny zazakely tafavory eto izao;
Izay mandrara mba rarao,
Ho to anie ny teninao:
« Avelao ny zaza hanatona izao »