1. Ny fitiavanao
No mahagaga anay
Ry Zanak’Andriamanitra ô!
Ry Jeso Tomponay!
2. Hanavotra aina anay
No nijalianao
Ka famonjena lehibe
No azonay izao
3. Ny mofo sy divay
Izay haninay izao
Dia mampiseho aminay
Ny fitiavanao
4. Avia, Jeso ô!
Avia ankehitrio
Ka ny fanahinay sasao
Ho tsara sy madio
5. Mampaneke anay
Hanao ny sitrakao
Koa aoka tsy ho tianay
Izay tsy tianao
6. Monena aminay
Ry Tompo be fitia!
Ka aza ilaozanao izahay
Mandrakizay doria