755 – O! ry tanora, mba tsarovy

1. O! ry tanora, mba tsarovy
Ilay Tompo soa maty noho ny helokao;
Izy miantso anao moramora,
Vohay ny fonao hidirany izao.
Ny saina sy ny safidy nomeny,
Ka mba fidio ny ho mpanaraka
An’i Jesosy, Mpanjaka Tsitoha,
Ny fonao atolory hanjakany ao.

2. O! ry tanora, miambena,
Fa ny devoly dia mpamitaka mahay,
Maro, ny fandriny, ka mitandrema
Tsy ho tra-nenina re mandrakizay.
Koa ekeo anatrehan’ny Tompo.
Handao ny ratsin’izao tontolo izao.
Raha Jeso no iankinanao mafy,
lzy hiaro mba tsy hivadihanao.

3. O! ry tanora, mivavaha,
Fa Jeso Tompo dia Mpihaino vavaka,
Azy irery ny hery rehetra,
Dia matokia mba ho afa-tahotra;
Ka raha ory sy mila ho kivy,
Dia andrandraonao Ilay Tompo be fitia;
Ny fitarainanao dia hohenoiny
Ary ny fonao dia hampiadaniny.

4. O! ry Jesosy mba ampio
Izaho mpianatrao mba ho madio fo
Tantano aho, vimbino, ry Jeso.
Fa sarotra ny làlana alehako;
Iriko ny ho mpandresy ny ratsy,
Iriko hahatanteraka ny soa;
Omeo hery sy tanjaka aho,
Efao, ny asa tsara ao anatiko.