768 – Endrey! Endrey! Tompo ô!

1. Endrey! Endrey! Tompo ô!
He! Ny hasoavanao,
Fa tsy tapaka hatrany
Izany fitahianao,
Notantananao, ry Tompo
ltony ondrikelinao.

2. Endrey! Endrey! Tompo ô!
He ny fitiavanao:
Efa elabe tokoa
No mba niheveranao
Izany zaza malagasy
Izay irinao mba ho soa.

3. Anio zahay, Tompo ô!
Mankasitraka Anao
Fa ny sandrinao, mahery
No niaro toy izao
Tratranay mandrakariva
Ny androm-pahasoavanao!

4. Tahio tokoa, Jeso ô!
Madagasikaranay
Mba handroso ka ho tonga
Madagasikaranao,
Izany re no faniriana:
Ho tanteraka anie!