TS 6 – Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao

(Salamo 119 – 41:56)
1. Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô,
Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho,
Satria matoky ny teninao.

2. Ary aza dia esorina amin’ny vavako ny teny marina;
Fa miandry ny fitsaranao aho.
Dia hitandrina ny làlanao mandrakariva aho,
Dia mandrakizay doria.

3. Ary handeha amin’ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.
Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho
Ka tsy ho menatra.

4. Ary hiravoravo amin’ny didinao aho
Satria tiako ireny.
Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny:
Hosaintsainiko ny didinao.

5. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao
Izay nampanantenanao ahy
Izao no mampiononona ahy amin’ny fahoriako;
Ny teninao no mamelona ahy.

6. Ny mpirehareha maniratsira ahy:
Tsy mba miala amin’ny lalànao aho.
Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô,
Dia mionona aho.

7. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy
Noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Ny didinao no ataoko an-kira
Ao amin’ny trano fivahiniako.

8. Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô,
Ka mitandrina ny lalànao.
Izao no ahy:
Mitandrina ny didinao aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.