FF 3 – Jeso Vato fehizoro

1. Jeso vato fehizoro
Afa- tahotra ny fo
Raha Ianao no mampijoro
Sy iankinana tokoa.
Vato fiorenanay
Jeso Zanaky ny Avo
Vato fialofanay
Amin- dratsy te handavo.

Fiv : Vato azo itokiana
Sady tsy mba mivena
Afaka ny fahoriana
Raha ianao no ekena.
Jesoa Tompo irery
No ‘lay vato tsy mifindra
Jeso Tompo irery
No ‘ lay fehizoro indrindra.

2. Jeso vato fehizoro
Mampisinda ahiahy
Fa mandresy horohoro
Manatanjaka fanahy.
O, ry vato tsara paika
’Zay mandray Anao am- po
Dia mijoro tsy miraika
N’ inon’ inona manjo.
Vato azo itokiana sns…

FF 2 – He, manolo-tena

1. He manolo-tena ho Anao
Fa mandre ny feo sy antsonao
‘Zato tenako izay mania
Ka raiso Tompo, raiso ry Jesoa Tia

Fiv : Hanoa ny sitrakao
Hanao izay tianao
Ka ho mpanompo vonona
Sy sahy koa
Hitory hatrany ilay Fitiavanao
Ambaram-pialam-pofon’aiko Jesoa.

2. Eny Tompo tsy mba mendrika aho
Feno loto ny ao am- poko ao
Nefa re ilay fitiavanao
No inoako handray ahy
Ho Mpanomponao
Hanoa ny sitrakao sns…

3. Eo anilanao no fifaliako
Ho Anao mandrakizay no tiako
Ny ho vavolombelonao Jesoa
No mamiko sy tena iriko tokoa
Hanoa ny sitrakao sns…

4. Fantatro fa sarotra ny diako
Marobe ny zavatra ho sedraiko
Nefa raha Ianao no momba ahy
Dia tsy hanan- tahotra ny fo sy fanahy
Hanoa ny sitrakao sns…

FF 1 – Mitsangana ianao ry mino

1. Mitsangàna ianao ry mino
Fa ilain’ ny taninao
Ny finoanao ifikiro
Mivonòna ianao
Ny ady anatrehanao tsy mora
Tena sarotra tokoa
Nefa toy ‘ lay tao Edoma
‘Lay mahery momba anao.

Fiv : Mbola ho avy ny maraina
(‘lay maraina)
‘Zay mitondra hery vao
Ry mpiambina miarena
Ka ingao ny zovinao
Ambarao fa ny aizina
Indro efa lasa re
Efa tonga ny maraina
Hisy hazavana be.

2. Raha sendra ady mafy
Mila handreraka ny fo
Dia tsarovy fa mihafy
Vao hahita ny soa
Raha tafita ianao
Hisy hazavana be
Ny aizin-kitroka ho lao
Tapi-dàlana haleha.
Mbola ho avy ny maraina sns…

3. Fahafahana doria
Tsisy tambiny aminao
No omen’ ny Tompo tia
Raha tahiana ianao
Ho fanilo mandramaty
Ho mpitantana ny dia
‘Lay finoana ao anaty
Homba anao doria doria.
Mbola ho avy ny maraina sns…

417 – Nandao Anao ela aho

1. Nandao Anao ela aho, Raiko ô!
Izao dia te-hody aho;
Maniry hiankina an-tratranao,
Izao dia te-hody aho.

Fiv : :,: Inty tamy aho,
Raiko malala ô,
Raiso ny tanako. :,:

2. Maniry hanana fiadanam-po,
Izao dia te-hody aho,
Sy mba hivesatra ny zioganao,
Izao dia te-hody aho,
Inty tamy aho, sns…

3. Itambesaran’ny ota natao
‘Zao dia te-hody aho,
Matoky anefa fa horaisinao
‘Zao dia dia te-hody aho.
Inty tamy aho, sns…

4. Raha tsy mendrika ny ho zanakao,
Izao dia te-hody aho,
Ataovy isan’ny mpanomponao,
Izao dia te-hody aho.
Inty tamy aho, sns…

5. Indro fa tazako ny sandrinao,
Izao dia te-hody aho,
Mitsotra mba hisakambina re,
Izao dia te-hody aho
Inty tamy aho, sns…

430 – Endrika sariaka

1. Endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray !
Fa tafika nidika
Izaho dia olonao mandrakizay !
He, ny foko afa-jaly
Tena ravo, sady falifaly !

Fiv : Ka endrika sariaka no
Anompoako Anao Jehovah Ray !

2. Fa tsaroan’izany saiko,
Mandra-maty ho tadidiko
Ny nanavotanao ny aiko,
Ilay fanahy sarobidiko !
Fa nomena fahendrena
Izay ekena fa ny famonjena
Ka endrika sariaka sns…

3. Be ny zavatra mihatra
Mampahory sy mandrera-po ;
Kanefa ireny tsy handratra
Ny arovanao, ry Ilay Tsitoha !
Fa ny fony tena tony
Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony !
Ka endrika sariaka sns…

4. Misy ve ny mampanahy
Sy ny zava-manahirana ?
He, tsy kivy ny fanahy
Fa hijoro ka ho mirana !
Fa Jehovah, Ray mahery
Miandany sady koa mijery
Ka endrika sariaka sns…

432 – Mandra-piavin’ny Tompo

1. Mandra-pihavin’ny Tompo, mivavaha !
Ny teny tsara nomeny tadidio,
Ny adidinao tontosay sy efao !
Mijery ny ataonao ny Ray.

Fiv : Raha mpanompo tsara hianao,
He, ny Tompo faly aminao !
Koa tanteraho ireo adidinao
Mba ho mpanompo mahasoa !

2. Mandra-piavin’ny Tompo, miasà !
Ampitomboy ireo talenta azonao !
Vola, fahaizana, aina, hery koa
No anompoy ny Tompo Tsitoha !
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao, sns…

3. Moa tianao va Ilay Mpamonjy Tompo soa ?
Ny rany anie nanavotany anao !
Ny hafany tanteraho sy hajao
Valio ny fanavotany anao !
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao, sns…

530 – Fitiavana ranovelona

1. Fitiavana rano velona,
Loharano lalina;
Ka miafina ao anatiny
Ny fiainan-danitra!

2. Fitiavana no nirahina
Avy tamin-Jehovah ;
O, mba raisonao, dia ho fantatrao
Ny fahasambarana.

3. Fitiavana didy tokana
Ary didy lehibe ;
Mitoera ao, hitoeranao
Amim-piadanam-be.

753 – Tiako ny hiaraka Aminao

Fiv : Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
N’aiza n’aiza hitondranao ahy,
Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
Fa Ianao no miantso ahy !

1. Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jeso Tompoko
Tsy manana olon-kafa aho
Fa Ianao no fiainako ;
Hanara-dia Anao, ‘zay no faniriako
Hifikitra Aminao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns…

2. Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jesoa Tompoko
Hitory Teny soa amin’ireo havako ;
Hanara-dia Anao, zay no faniriako
Hanohy ny asanao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns…

3. Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jeso Tompoko
Ho zary famonjena anie ny fahoriako
Hanara-dia Anao, ‘zay no faniriako
Hifantsika Aminao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns…

4. Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jeso Tompoko
Hibanjina ny Ray, Tompo Andriamanitro
Hanara-dia Anao, ‘zay no faniriako
‘Zay misy Anao, no hisy ahy Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns…

357 – Efa tonga aty izao

1. Efa tonga aty izao
Teny fiainana :
Raiso mba ho fiainanao,
Teny fiainana.
He ! ny teny tsara,
Teny manan-kery :

Fiv : Tenin’ny Ray,
Tsara tokoa,
Teny fiainana.

2. Io no Filazantsara soa,
Teny fiainana :
Teny mamy indrindra koa,
Teny fiainana.
Raisonao ny teny,
Teny soa nomeny :
Tenin’ny Ray, sns…

3. Ry mpanota! Henoy izao,
Teny fiainana;
Fa fiainana ho anao,
Teny fiainana.
Kristy no nomena
Mba ho famonjena:
Tenin’ny Ray, sns…

303 – O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso

1. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
‘Zay no baiko azontsika ka mandrosoa
Jesosy Tompo no mibaiko : « Mandrosoa,
Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »

Fiv : Miaingà namako ô ! Jeso no mibaiko
Mandrosoa, mandrosoa, mandrosoa tokoa
Aza kivy koa, na dia tsy mahazo
« Mandrosoa amin’ny lalina kokoa ! »

2. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
Saina mora kivy aoka ho lavinao ;
Fa ny mora kivy dia hanenina tokoa :
« Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »
Miaingà, namako ô, sns…

3. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
Mbola ao ny hazandrano ho azonao
Tsy azonao anio, ampitso mandrosoa,
« Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »
Miaingà, namako ô, sns…

4. Mba mitoera Jeso ao antsambonay,
Mba ho renay lalandava ny Teninao !
Ny baikonao, ry Tompo, no andrasanay
Handrotsahanay izao ny haratonay.
Miaingà, namako ô, sns…