795 – Jeso ô, Sakaizanay

1. Jeso ô, Sakaizanay
Ao an-danitra aminao
Misy zaza namanay
Mifaly ravo ao.

2. O, ry tia zaza ô!
Mba ampio izahay
Mba hifaly Aminao
Aty an-dasinay.

3. Raha mbola ho aty,
Mba tantano izahay,
Ka tariho ho ary,
Ry Zoky tia anay.

4. Ary raha tapitra
Ny anjaranay aty,
Raisonao mba hiditra
Ao aminao ary!

793 – Mba tsarovy re rankizy

1. Mba tsarovy re rankizy,
Ao am-piangonana,
:,:Tsy hatory, fa haniry
Mba ho zaza maotina.:,:

2. Tonga ao Jesosy Tompo,
Ka mihaino vavaka;
:,:Ny manatona hanompo
Raisiny ho zanaka.:,:

3. Mba hirao ny fiderana,
Ka ezaho mafy hoe:
:,: »Arahaba re, hosana!
Ry Mpanjaka lehibe! »:,:

4. Eny Tompontsika Izy,
Tompo tsara, mora fo,
:,:Ka hatoninao, rankizy,
O, hatòny eram-po!:,:

5. Aza mba misalasala,
Atolory izao ny fo,
:,:Fa ny Tomponao malala
Faly ta-hamindra fo:,:

6. Ry Mpamonjiko mahery,
Raiso aho ho Anao,
:,:Raiso ho anao irery,
Raiso re, ka anjakao!:,:

792 – Misy zaza marobe

1. Misy zaza marobe
Faly, sambatra ao ambony,
Ny devoly lozabe
Tsy mamely azy intsony,
Izy ireo dia zazakely
Tonga naman’ny anjely.

2. Mba irionao tokoa
Ny ho naman’izy ireny,
Indro, misy zava-tsoa
Ho anao raha tonga eny,
Dia afoizo sy ario
Izay rehetra tsy madio.

3. Tompo, raiso izahay
Mba ho zanakao handova
Lapa soa rahatrizay,
Lova tsy miovaova;
Manan-jara aoka izany
Izay rehetra tonga any.

791 – Tonga ny hariva

1. Tonga ny hariva,
Ka ny aizina
Efa mba madiva
Ho mpanarona.

2. Jeso ô, tsinjovy,
Ka tahio izahay,
Eny, mba arovy
Handry fahizay!

3. Maniraha anjely
Mba hiambina
Ahy zazakely
Raha maizina.

4. Ary raha maraina
Mba fohazy indray
Ho madio sy tsara
Eo imasonao.

790 – Jeso ô, Sakaiza tsara

1. Jeso ô, Sakaiza tsara!
Be ny fitiavanao;
Tsy mba misy voarara
Tsy hihavana Aminao;
:,: Mahagaga:,:
Ny haben’ny antranao.

2. Jeso ô, mba manampia!
Ny mpanompokelinao
Tsy hivily, tsy hania,
Fa hanara-dia Anao,
:,: He, malemy,:,:
Nefa be ny herinao.

3. Jeso ô, Mpamonjy mora!
Manampia, mamonje,
Fa isan’andro, isan’ora
Misy fahavalo be
:,: Izay mamely;:,:
Ka harovanao anie!

789 – Zaza izahay, ry Jeso ô

1. Zaza izahay, ry Jeso ô!
Nefa Hianao dia tia anay
Injany re ny feonao
Miantso hoe: « Avia! Avia! »

Fiv : Mba raisonao re, mba raisonao re,
Ry Tompo ô!
Mba raisonao re, mba raisonao re,
‘Zahay izao.

2. Zaza izahay, ry Jeso ô!
Hianao taty mba zaza koa;
Tarihonao ny hevitray
Hanahaka ny hevitrao!
Mba raisonao re, sns…

3. Zaza izahay, ry Jeso ô!
Ny tenanay malemy koa;
Kanefa, he, ny herinao
Miaro ny fanahinay!
Mba raisonao re, sns…

788 – Ry Jeso Sakaizan’ny zaza

1. Ry Jeso Sakaizan’ny zaza,
Kanefa Mpanjaka malaza,
Midera ny anaranao, re,
Izahay vory eto izao,

Fiv : :,:Ny saotra sy dera aman-daza
No atolotray ho Anao.:,:

2. Ry Jeso malemy fanahy!
Manatona Anao tsy manahy
Ny zaza mivory aty izao,
Ekeo mba ho mponina ary.
Ny saotra sy dera, sns…

3. Fahiny Hianao tonga teto
Nanala ny rofy sy sento,
Avia mitahy anay re,
Matoky Anao, izahay.
Ny saotra sy dera, sns…

4. Ry Jeso Mpamonjy sy Zoky!
Izay ampy tokoa mba toky,
Mifaly ny manana Anao izao,
Arovy ka aza mandao.
Ny saotra sy dera, sns…

149 – Efa lasa Jeso Tompo

1. Efa lasa Jeso Tompo,
Hanamboatra izao
Fitoera-mahafaly
Iza re no tsy hankao?

Fiv : Fa ao ankoatr’i Jordana,
Ao an-danitra ao ambony
Misy fitsarahan-tsara
Ho an’ny madio.

2. Tany tsy idiran’ota,
Tany masina sy soa,
Ka izay rehetra hankany
Dia ho masina avokoa:
Fa ao, sns…

3. Fa izay matoky tena,
Ny tsy mety mino koa,
Tsy avelany hankany,
Fa ho laviny tokoa:
Fa ao, sns…

4. Ny mandao, ny fomba ratsy
Ny mahazo fo vaovao,
Ny navotan’i Jesosy,
Dia izy no hankao:
Fa ao, sns…

5. Ry mpanota saiky very!
Mibebaha re anio;
Maniria hovonjena,
Ka ny fahotana ario:
Fa ao, sns…

147 – Lasa ny Mpanavotsika

1. Lasa ny Mpanavotsika,
Ao an-danitra ary,
Mba hanoman-trano tsara,
Hitoerantsika ao.
:,: Mifalia,:,:
Ho tafiditra ao tokoa.

2. Lasa ny Mpisorontsika
Ao an-danitra ary
Ho Mpisolo vava koa
Ho an’olo-marobe.
:,: Matokia,:,:
Tsy ho very Hianao.

3. Lasa ny Mpanjakantsika
Ao an-danitra ary,
Mba handray ny fanjakana
Mety ho anjarany.
:,: Mihobia,:,:
Asandrato re ny feo.